Tsaroana amin'izao 10 janoary izao i Masindahy Guillaume de Bourges. Teraka tamin'ny taona 1110 avy amin'ny fianakavian'ny Comte tao Nevers i Guillaume. Bodouin de Corbeil sy Estachie de Chatillon no ray aman-dreniny. Olona tia vavaka sy nifototra tamin'ny fianarana ary tia mandini-tena ihany koa i Guillaume.

Ny toetran'i Jesoa Kristy manontolo na amin'ny maha-olombelona na amin'ny maha Andriamanitra Azy dia samy manampy hahazoana ny famonjena sy ny fahasambarana daholo. Ny fotoana rehetra niainan'i Jesoa teto an-tany noho ny fahasoavan'ny vavaka dia azo raisina ho fiainantsika ankehitriny, azo isintonana voka-tsoa ara-panahy, izay tsy inona fa fahasoavan'ny "méditation". Katesizy momba ny fandinihana masina, iarahana amin'i P. Rasolofoniaina Olivier - S.J.

  • Miha-manakaiky an'i Madagasikara ilay rivo-doza DIKELEDI ; ahiana ny tondra-drano sy ny fiakaran'ny rano any amin'ny tapany avaratry ny nosy, vokatry ny rotsak'orana betska...
  • Misy mandrahona hisambotra ireo mpitarika hetsika mitaky ny hamiliana ny zotran'nilay lalambe migodana eny Anosiarivo-Ambohimanga Rova. Tsy raikitra ny hetsika saika nataon'izy ireo androany...
  • Vao mainka hiakatra 5.000Ariary ny kilaon'ny vary, raha tsy ferana ny vidiny amin'izao, hoy ny PMH, nitondra fanazavàna ity fikambanana ity momba ny anton'ny fidàngan'ny vidim-bary ankehitriny...
  • Mandravarava ny afo any Los Angeles any Etazonia. Mponina maherin'ny 100.000 no voatery nandao ny toeram-ponenany noho izao firehetana goavana any an-toerana izao...

  • Tany amin'ny 2.200 km atsinanan'Antalaha no nisy ny foiben'ilay andro ratsy tamin'ny 3 ora tolak'andro teo...
  • Lafin-javatra maro mahakasika ny fiainam-pirenena sy ny olana mianjady amin'ny vahoaka Malagay ankehitriny no noresahana tamin'ilay filan-kevitry ny ministra natao ten amin'ny Lapam-panjakàna Iavoloha androany tolak'andro...
  • Nahatratra 500.000 m3 mahery ny hadirin'ny fako niparitaka tao Antananarivo renivohitra voahangona tamin'ny taona 2024, raha ny tatitra nataon'ny SMA androany...
  • Mitantana vonjy maika ny Fiangonana Anglikanina izay manana ny foibeny any Angeletera nanomboka omaly 7 janoary ny Arsevekan'i York Stephen Cottrell...

[Miara-dàlana] Alatsinainy 20 oktobra 2025

• Hampahafantarina amin'ny fomba ofisialy, ny 9 novambra 2025, ny Baiboly Masina Katolika misy fanazavana... • Hotanterahana eny Bevalala ny fangataham-pahasoavana sy fametrahana eo ampelatan'Andriamanitra ny Taom-pianarana 2025-2026, ho an'ny Sekoly Katolika eto amin'ny Diosezin'Antananarivo... • Fahazavan'ny Fiadanana sy ny Fandriam-pahalemana ary ny Fanantenana ho an'izao tontolo izao ny Fahamasinana, hoy ny Papa Léon XIV, tamin'ny fampianarany nandritra ny Angelus omaly...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...