Aorian'ny isa am-polony voalohany dia tsy misongadina firy ny isa fa ny tanisa no mibahan-toerana. Ny fanoharana ny mety ho toeratry ny biby iray sy ny fomba fiainany no narafitra ho tanisa sy nakàna lesona. Aorian'ny bodokely matavy ny toho, dia ireto no tohiny : Kely matsilo loha ny patsa ; ny vano no lava tenda maditra olom-pehezina ; ny fangaraka no kely andilana ny isan-jato no mafy ; ny takatra no fisa-doha matory amorom-paria ; ny soroitra no kely fingo sendran'ny tao-miodivitra, ny goaika no fotsy tenda mangala-boanjo ririnina...
Ny vavaka maharitra araka ny Baiboly dia azo faritana ho vavaka mitohy sy maharitra, izay tsy mihozongozona na eo aza ny zava-tsarotra. Ny vavaka maharitra dia fampiharana ny finoana izay ahitana fifikirana tsy tapaka, fitokiana an'Andriamanitra, ary fahatapahan-kevitra hanohy hivavaka.... Katesizy momba ny vavaka maharitra, iarahana amin'i P. Ratinarivony Laurent.
• Kristy, loharanon'ny fanantenana, ny fampihavanana ary ny fiadanana. Vinan'ny Fiangonana Fianakavian'Andriamanitra eto Afrika, ho an'ny 25 taona ho avy. Io no hafatra avy amin'ny Fihaonambe faha-20-n'ny Fivondronamben'y Eveka Katolika eto Afrika sy Madagasikara... • Tontosa ny 10 aogositra 2025 ny Eokaristia Masina, nametrahana an'i Mgr Marek Ochlak, teo amin'ny fiketrahana maha Evekan'ny Diosezin'i Fenoarivo Atsinanana azy... • Na aiza na aiza misy antsika, aza avela ho verivery foana ny fotoana ahafahana mitia. Io no fanentanana nataon'ny Papa Léon XIV, nandritra ny vavaka Angelus omaly...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco