♦ Miroso mankany amin'ny fampiasana haitao ara-kajy mirindra ny fandaharana asa fiantohana ara-tsakafo sy ny fanjariana ara-tsakafo, aty amin'ny Tanomasimbe Indiana... ♦ Miara-miasa amin'ny fametrahana ny paikady hiadiana amin'ny afo sy ny doro tanety ary ny doro ala, ny Minisiteran'ny Tontolo iainana sy ny BNGRC... ♦ Isan'ireo firenena kandidà hifaninana amin'ny fandraisana ny fihaonana an-tampon'ny tanora aty Afrika: Youth Connect Africa Summit, ho an'ny taona 2025, isika Malagasy...
♦ Manatanteraka ny Fivoriambe faharoa fanaony isan-taona, ao amin'ny Episcopat Ambatoroka, ny Fivondronamben'ny Eveka eto Madagasikara, ny 5 hatramin'ny 15 nôvambra 2024... ♦ Mirehi-pitiavana ho an'i Jesoa, manokan-tena ho an'ny tanora. Io no manentana ny Fikambanana Salezianina Don Bosco, ho an'ny Chapitre Général CG29...
Mamelona fianakaviana maro eto Madagasikara ny seha-pihariana jono indrindra fa ny jono an-dranomasina saingy tandindomin-doza vokatry ny fanapotehana ny tontolo iainana indrindra fa ny doro tanety. Mamelona malagasy 1.500.000 isa io sehatra io. Ny 80% amin'ny vokatry ny jono dia avy amin'ny jono nentim-paharazana avokoa na an-dranomsina na an-dranomamy...
♦ Tsy eken'ny Depiote mpanohitra ny fividianana fiara 4x4. Tsy nifampierana, hoy izy ireo, ny fanapahana ny fandoavana solika hividianana izany, fa natao tery vay manta... ♦ Hiakatra ho 25% amin'ny tahan'ny karama farany ambany ny fisotroan-dronon'ireo zokiolona mihoatra ny 80 taona, mandray vola amin'ny CNaPS. Hiakatra ihany koa ny an'ireo maty vady mbola miasa sy tsy an'asa... ♦ Tsy fahita raha tsy eto amintsika ny 99%-n'ireo karazana sahona misy eran-tany. Nisy ny “Festival des amphibiens” omaly, nanentanana ny rehetra hiaro ireny karazam-biby ireny...
• Mibanjina, mitandrina ary mahafoy: izay no hafatra napetrak'i Mompera Rakotondranaivo José Gaston, Provinsialin'ny Fikambanana Salezian'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maurice, nandritra ny voady voalohany nataon'ireo frera miisa 13 mirahalahy avy eo anivon'ity fikambanana ity... • Notanterahana tao anatin'ny efatra andro ary nifarana omaly, ny “Festival de la diaconie de la beauté” sy ny “Foire du Diocèse vert”, tany amin'ny Arsidiosezin'Antsiranana...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco