♦ Samy nahavita ny antsapaka amin'ny laharan'ireo kandidà ben'ny tanàna ao amin'ny bileta tokana ireo OVEC manerana ny nosy omaly. 50 mahery ireo kandidà mirotsaka ao Toamasina-I sy Toamasina-II, raha toa Ka maherin'ny 200 kosa izany ho an'ny ato amin'ny Distrika Ambohidratrimo... ♦ Nandroso hevitra hamahàna maika ny olan'ny rano ao an-drenivohitra ny filohan'ny repoblika nandritra ny filan-kevitry ny ministra. Havondrona avokoa ireo fiarabe afaka mitatitra rano hamatsiana ny tanàna misedra olana... ♦ Anjaran'ireo tompon'andraikitra misahana ny ady amin'ny kolikoly any amin'ny ministera samihafa no nanolotra ny heviny amin'ny fanavaozana ny paik'adim-pirenena vaovao hiadiana amin'ny kolikoly...

Miteraka hafaliana ny fihaonana amin'i Jesoa. Ny fisaorana ataontsika amin'Andriamanitra tsy an-kijanona sy ifampizaran'ny kristiana rehetra dia tsy mijanona fotsiny amin'ny tena samirery ; fa rehefa tafahoana amin'i Jesoa isika dia vao mainka misandrahaka bebe kokoa izany fisaorana izany. Porofonin'ny Evanjely fa ny fandalovan'i Jesoa dia miteraka hafaliana ho an'ireo mihaona aminy...  Katesizy momba ny vavaka fisaorana, iarahana amin'i P. Eric Franck Randriamiandrinirinarivo.

10 ôktôbra 2024 — Alakamisy, Herinandro Tsotra fahafito amby roapolo Mandavantaona — Manantena ny Tompo ny fanahiko, miandry ny teniny aho — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka (Lk. 11, 5-13)

♦ Tontosa androany manerana ny OVEC 120, any amin'ny Distrika eto Madagasikara ny fanaovana ny antsapaka ny laharan'ireo kandidà ho Ben'ny Tanàna ao amin'ny bileta tokana, amin'ny fifidianana ny 11 desambra 2024... ♦ Anjaran'ireo tompon'andraikitra any amin'ny minisitera samihafa indray androany, no naneho ny heviny momba ny pôlitika anatiny amin'ny ady amin'ny kolikoly... ♦ Nankalazaina androany ny andro maneran-tany ho an'ny Paositra. Mivoatra sy manaraka ny toetr'andro ny Paositra Malagasy...

[Miara-dàlana] Alatsinainy 11 aogositra 2025

• Kristy, loharanon'ny fanantenana, ny fampihavanana ary ny fiadanana. Vinan'ny Fiangonana Fianakavian'Andriamanitra eto Afrika, ho an'ny 25 taona ho avy. Io no hafatra avy amin'ny Fihaonambe faha-20-n'ny Fivondronamben'y Eveka Katolika eto Afrika sy Madagasikara... • Tontosa ny 10 aogositra 2025 ny Eokaristia Masina, nametrahana an'i Mgr Marek Ochlak, teo amin'ny fiketrahana maha Evekan'ny Diosezin'i Fenoarivo Atsinanana azy... • Na aiza na aiza misy antsika, aza avela ho verivery foana ny fotoana ahafahana mitia. Io no fanentanana nataon'ny Papa Léon XIV, nandritra ny vavaka Angelus omaly...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...