• Miady dia miady ny lalao baolina kitra eo amin'i Madagasikara sy i Soudan. Lalao manasa-dalana voalohany amin'ny CHAN 2025 tanterahana any Tanzanie... • Ilana fanapahan-kevitra politika sy fahasahiana ny fampiasana ny rafi-pitsarana Fitsarana Avo na ny HCJ, raha te hanafoana ny tsimatimanota, hoy ny Solombavam-bahoaka Fetra Rakotondrasoa... • Nanome lanja ny fanabeazana ara-tontolo iainana ny Minisiteran'ny Fanabeazam-pirenena. Misy ny Ivon-toerana ibeazana ara-kolontsaina mirindra amin'ny tontolo iainana na ny IIKT, natokana hanabeazana ny olom-pirenena rehetra anavahana, eo ambany fiadidiany...

♦ Anio hariva ilay fotoan-dehibe ho an'ny Barean'i Madagasikara amin'ny lalao ankatoky ny famaranan'ny CHAN 2025. Tsy lalaovina fa tena alaina ho fandresena ny lalao amin'i Soudan hoy ny mpanazatra Maître Rôrô omaly... ♦ Mbola manamafy ny heviny ny KMF/Cnoe fa tokony hiantsoana ireo mpisehatra rehetra voakasika ny fanatsaràna ny lalàm-pifidianana... ♦ Miha-mihena ankehitriny ny velaran'ny farihin'Itasy noho ireo antony samihafa. Miha marivo ihany koa ny halaliny hoy ny tatitry ny sampandraharaha fanajariana ny tany sy tontolo iainana any an-toerana... ♦ Noroahin'i Australie hiala any aminy ny masoivohon'i Iran miasa any amin'ity firenena ity...

♦ Hiatrika ny dingan'y ankatoky ny famaranan'ny CHAN 2025 anio hariva ny Barean'i Madagasikara, hihaonana amin'i Soudan. Miandry fatratra izany ny mpitia baolina kitra malagasy... ♦ Tsy ny lalàna no ratsy fa miankinaé amin'ireo Parlemantera no afahana manenjika ny ministry ny fitanterana amin'ny raharaha Boeing 777, hoy ny mpahay lalàna Toavina Ralambomahay... ♦ Mitaky ny hisian'ny mangarahara amin'ny fanamboarana ny lalambe migodàna ireo solombavambahoaka mpanohitra. Tsy mahafeno ny fepetra maha-auto-route azy ilay lalana 8k vita, hoy Andriamatoa Todisoa Andriamampandry...

Masina Maria dia famantarana manambara fanantenana azo antoka ary fanalana alahelo ny vahoaka an'Andriamanitra mivahiny ety an-tany. Ary amin'izany ny Renin'i Jesoa dia efa henimboninahitra vatana sy fanahy any an-danitra ka santatry ny Fiangonana sy ny endriny araka ny ho toetrany any amin'ny taona ho avy, dia famantarana mamirapiratra manambara fanantenana azo antoka... Katesizy momba an'i Masina Maria Virijiny, Renin'Andriamanitra, iarahana amin'i P. Hervé Solofoarimanana.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 6 oktobra 2025

• Namaly ny antso avo nataon'ny Papa Léon XIV ny Fivondronamben'ny Eveka eto Madagasikara, ka nanentana ny vahoaka kristianina rehetra hivavaka sy hifady haninana ho an'ny fandriampahalemana eto Madagasikara sy maneran-tany, ny sabotsy 11 oktobra 2025... • Nanao antso avo hampitsaharana ny ady any Gaza sy nitalaho ny mba hisian'ny fandriampahalemana marina sy maharitra, ny Papa Léon XIV, mialoha ny vavaka Angelus omaly... • Vita sonia ny sabotsy teo ny Fanentanana Apostolika voalohany, nosoratan'ny Papa Léon XIV...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...