22 jolay 2024 — Masimbavy Maria Madalenina — Fety — Lazao anay, ry Maria, ny hitanao teny an-dàlana. Ny fasan’i Kristy velona no nahitako sy ny voninahitr’Izy tafatsangan-ko velona — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Joany (Jo 20, 1. 11-18)

Zava-dehibe ny fifankatiavana sy ny fifampitsinjovana, mitaky fanabeazana anefa izany dia ny fanabeazana ny tsirairay. Adidin'ny tsirairay ny hanabe ny tenany, sy hamolaka ny tenany mba hahay hanaja ny hafa sy ny tontolo iainana. Ny fanajana ny tena dia fialana amin'ny loto isan-karazany : kolikoly sy ny fanararaotana ary ny tsy firaharahiana ny hafa. Adidy ny fiangonana no manentana ny olona handala ny fifankatiavana. Fandaharana "hono hoy aho mopera", eto amin’ny Radio Don Bosco, isaky ny alarobia alina.

Ny mampiavaka ny olomasina dia tsy manameloka na manilika fa mitondra eo amin'Andriamanitra ny vavaka hasoa ireo olona miandrahandra famonjena sy mangataka fifonana. Tamin'ny tantaran'i Môizy dia miseho tahaka ny endrik'i Jesoa mivavaka sy mangataka izy. Mampianatra antsika i Môizy mba hivavaka amin-kafanam-po tahaka an'i Jesoa ho an'izao tontolo izao, hahatsiaro fa na eo aza ny fahadalana dia eo i Tompo... Katesizy momba an'i Môizy, iarahana amin'i P. Bertrand Ratovoalinirina.

Alahady faha-16 mandavantaona - B : Andian'ondry eo an-tanan'Andriamanitra isika ; ny ondriko mihaino ny feoko, hoy ny Tompo; Izaho mahalala azy, ary izy manaraka Ahy. Ankehitriny, ao amin’i Kristy Jesoa, ianareo izay lavitra fahiny, dia tongan’ny Ran’i Kristy akaiky. Fa Izy no nahatonga antsika rehetra ho iray. Mazava ny teni'ny Tompo : Hangoniko ny sisa amin’ny ondriko ary hanangana mpiandry hiandry azy Aho. Arak'io voalaza io dia mila loza ny mpiandry manary sy manahaka ny ondry. Adidin'ny Fiangonana no mampanjary ireo voalaza ireo...

[Miara-dàlana] Zoma 20 jona 2025

• Hotanterahana ny 16 sy 17 aogositra 2025 ny Jobily Nasionaly ho an'ny olom-boatokana... • Ny 22 hatramin'ny 24 aogositra 2025 no hanatanterahana ny “Lasy Fanantenana” ho an'ny Fanilon'i Madagasikara... • Nasandratra ho eo amin'ny laharan'ny Olontsambatra tamin'ny alahady 15 jona 2025 i Floribert Bwana Chui, tanora Congolais maty martiry teo amin'ny faha-26 taonany...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...