Ny "crampe" dia fivokonan'ny ozatra tampoka na mikainkona, tranga mahakasika ireo mpanao fanatanjahantena matetika. Ny ozatra (muscle) misy karazany : "strié" amin'ny faritry ny ratsam-batana, "lisse" any amin'ny taova. Raha ny any amin'ny lalan-dra no mikainkona dia io ilay ahatao hoe "spasme". Antony : havizanana be loatra, tsy ampy fanafanan-tena mialohan'ny fanaovana fanatanjahantena, tsy fahampiana magnesium... Fandaharana "Andriano ny fahasalamana", tontosaina eto amin'ny radio Don Bosco.
♦ Handray ny La Croix-ny JMJ Mada sy ny Icône an'i Masina Maria anio ny tanora any amin'ny Diôsezin'i Toamasina. Toamasina izay handray ny JMJ Mada andiany faha-11 ny volana aogositra 2026... ♦ Hivory etsy amin'ny CCI Ivato anio ny Troikan'ny SADC, ahitana ny filoha Zimbabweana, filoha amperin'asan'ny SADC, ny filoha Malagasy handray ny fitantanana hanomboka anio ary ny filohan'i Angôla, filoha nitantana ny SADC teo aloha... ♦ Misokatra ho an'ny be sy ny maro nanomboka androany ny fitanterana amin'ny alalan'ny tariby "Teleferika". Nitokana tamin'ny fomba ôfisialy ny foto-drafitr'asa teny Ivandry omaly ny filoham-pirenena Rajoelina Andry...
Teboka maro momba ny fifandraisan'i Masina Maria amin'i fiainam-pahazazan'i Jesoa Kristy : Midodododo i Masina Maria mamonjy ny sahirana (tamin'ny famangiana sy fanampiana an'i Elizabeta rahavaviny) ; sady miresaka amin'ireo madinika sy ny manan-kaja (ireo Majy sy ny mpiandry ondry) ; fahatongavan'i Jesoa ho nofo, tsy nikasika ny fahadiovan'i Masina Maria... Katesizy momba an'i Masina Maria Virijiny, Renin'Andriamanitra, iarahana amin'i P. Hervé Solofoarimanana.
Fahombiazana no azo amehezana ny Foara Iraisam-pirenena ho an'ny Toe-karena eny ambanivohitra (FIER MADA) andiany faha-26, natao teny amin'ny kianjan'i Makis Andohatapenaka, nandritra ny 5 andro. Afapo ireo tantsaha aévy amin'ny Faritra 24 nitondra ny vokany teto an-drenivohitra. Tonga marobe ny mpitsidika. Nahatratra 100.000 ireo olona nifamezivezy teny Andohatapenaka nandritra ny fotoana nanaovana ny Foara...
• Namaly ny antso avo nataon'ny Papa Léon XIV ny Fivondronamben'ny Eveka eto Madagasikara, ka nanentana ny vahoaka kristianina rehetra hivavaka sy hifady haninana ho an'ny fandriampahalemana eto Madagasikara sy maneran-tany, ny sabotsy 11 oktobra 2025... • Nanao antso avo hampitsaharana ny ady any Gaza sy nitalaho ny mba hisian'ny fandriampahalemana marina sy maharitra, ny Papa Léon XIV, mialoha ny vavaka Angelus omaly... • Vita sonia ny sabotsy teo ny Fanentanana Apostolika voalohany, nosoratan'ny Papa Léon XIV...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco