♦ Fitoriana mahakasika ny hosoka, ny fanaovana herisetra, mikasika ny lisi-pifidianana no nataon'ireo kandidàn'ny Firaisankina roa lahy teny amin'ny Fitsarana Avo momba ny Lalam-panorenana, androany... ♦ Mangataka ireo ray aman-dreny ara-panahy sy ara-drazana mba hitarika ny fikaonan-doham-pirenena ho an'ny fanorenana ifotony, ny fikambanana ACS, ivondronan'ireo Senatera sy mpikamban'ny Filankevitra Ambonin'ny Tetezamita teo aloha...

♦ Homarihina ny 15 sy 16 jona 2024 ny Andro Maneran-tany faha-58 ho an'ny Fifandraisan'ny Mpiara-belona, eto amin'ny Diôsezin'Antananarivo... ♦ Miisa 38 ireo fankalazana mandritra ny taon-Jobilin'ny Fanavotana ny taona 2025... ♦ Mankahery ny rehetra hanao asa soa pastôraly bebe kokoa, ny Papa François, amin'ny fanamarihana ny Andro Maneran-tany faha-8 ho an'ny Mahantra, amin'ny volana nôvambra 2024...

Mamolavola ireo tanora ao aminy momba ny famokarana miaro ny tontolo iainana sy ny fampiarahana ny fambolen-kazo amin'ny famokarana ny tambazotra Sendikan'ny Orina Ambanivohitra na ny Réseau SOA. Efa misy ny sehatr'asa atao momba izany ho an'ireo tantsaha mpamokatra mivondrona ao aminy, ka anjaran'ny tanora indray no misitraka izany...

♦ Kandidà roa avy amin'ny Vovonana Firaisankina no miakatra fitsarana raharaham-pifidianana eny amin'ny HCC, nanomboka ny antoandro teo. Tomefy olona ny efitranom-pitsarana eny an-toerana... ♦ Miakatra fampanoavana ao Antsirabe androany ireo olona roa notazonin'ny zandary, noho ny raharaham-pifidianana tany Faratsiho. Iray amin'ireo natolotra ny fampanoavana ny lehiben'ny sampana informatika eo anivon'ny CED Faratsiho... ♦ Homarihina rahampitso sy ny alahady izao ny Andro Maneran-tany faha-58 ho an'ny Fifandraisan'ny Mpiara-belona...

[Miara-dàlana] Alatsinainy 23 jona 2025

• Hankalaza ny faha-150 taona nanirahana ireo misionera voalohany ny fikambanan-dry Masera Filles de Marie Auxiliatrice... • Hotanterahana, any amin'ny Distrikan'i Mahitsy, ny 31 jolay hatramin'ny 3 aogositra 2025, ny JMJ an'ny Diosezin'Antananarivo... • Niantso ny mpino ny Papa Léon XIV, nandritra ny vavaka Angelus, mba hiombona amin'Andriamanitra amin'ny alalan'ny fizarana an-kafaliana lalandava ny fanomezan'ny fitiavana...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...