• Manamafy ny fanaraha-maso ny sisin-tany sy ny ady amin'ny hosoka ary ny fanondranana an-tsokosoko ny harena voajanahary, ny fandin-tseranana malagasy. Namoaka ny andiany faharoa min'ny Brigade canine, izy ireo androany... • Dahalo miisa efatra no lavon'ny balan'ny zandary tao amin'ny Distrikan'Isandra. Olona iray isan'ireo mpanara-dia koa no maty nandritra ny fifandonana, ary olona efatra hafa naratra... • Miato noho ny faharatsian'ny andro ny fitaterana an-dranomasina anatin'ny fari-piadidian'ny APF any Sainte Marie, nanomboka androany zoma...

• Hotanterahana ny 16 sy 17 aogositra 2025 ao amin'ny ESCA Antanimena, ny taon-jobily ho an'ny olom-boatokana... • Ny alahady 25 mey 2025 no hiombonan'ny diosezin'Antananarivo manotolo amin'ny fanohanana ny Seminera Zandriny Ambohipo... • Hitarika ny Consistoire voalohany amin'ny maha Papa azy, ny 13 jona 2025 ao amin'ny Lapa Apostolikan'i Vatican, ny Papa Léon XIV...

Marihana isaky ny 20 May ny andro eran-tany hoan’ny tantely. Mamokatra tantely 3 arivo hatramin’ny 4 arivo taonina isan-taona isika araka ny tarehimarika navoakan’ny EDBM tamin’ny taona 2023. Laharana fahafito aty Afrika amin’ny famokarana tantely i Madagasikara. Efa ela no niompy tantely ny malagasy ary manana karazana tantely maro koa noho ny fananana hazo sy zava-maniry hamokarana ny mamin-tantely. Manome lanja manokana ny fampiroboroboana ny lalam-pihariana tantely ny tranoben’ny tantsaha mampokatra nasionaly...

• Tompon'andraikitra miisa valo eo anivon'ny hopitalin'ny miaramila eny Sovinandriana no nosoloina, nandritra ny Filankevitry ny Minisitra omaly, natao tany Nosy-Be... • Fitiavan-tseza no antony voalohany tsy nahatanterahan'ny fampiharana ny tondrozotra tamin'ny krizy 2009, saingy misy ireo minia manadino ny tantara, hoy i Alain Andriamiseza... • Miaina anaty fiaraha-monina feno herisetra ny firenena malagasy ankehitriny, hoy ny mpahay fiaraha-monin Paul Rabary...

[Miara-dàlana] Zoma 11 jolay 2025

• Notanterahana tao amin'ny Sanctuaire Lakroa Masina ao Łysa Góra ny alarobia 9 jolay 2025, ny fombam-pivavahana namindrana ny reliques an'ny Lakroa Masina, ho entin'i Mgr Marek Ochlak, Evekan'ny Diosezin'i Fenoarivo Atsinanana, ho aty Madagasikara... • Manentana antsika mianakavy hivavaka ho an'ny fianarana mandanjalanja ny Papa, ao anatin'ny Tambajotram-pivavahan'ny Papa maneran-tany, amin'ity vola jolay ity... • Mampirisika ny zokiolona ny Papa, mba hitahiry amim-pitokiana ao amin'ny Tompo ary hanaiky havaoziny isan'andro amin'ny fihaonana aminy, ao anatin'ny vavaka sy ny Sorona Masina. Ambarany izany ao anatin'ny hafatra ho an'ny Andro Maneran-tany faha-5 ho an'ny raibe sy ny renibe ary ny zokiolona...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...