Misy adidy sy andraikira miandry antsika rehetra, indrindra ny fifanitsiana amin'izay mety ho tsy fetezan-javatra : ara-pitondran-tena, ara-pitantanana... Ny fitiavana dia tandindon'ny safidy, ary izy io dia avy amin'Andriamanitra. Ny fifanajana sy ny fampitovian-jo ny rehetra dia isan'ny singa fototra ahafahana mampandroso ; ilàna toe-tsaina mendrika sy mampisongadina ny maha-Malagasy anefa izany. Fandaharana "mba ho vanona" iarahana miasa amin'ny jeneraly Désiré Ramakavelo.

♦ Hifarana anio amin'ny 5 ora hariva ny fahafahan'ireo maniry ho kandidà amin'ny fifidianana ben'ny tanàna sy mpanolontsaina manatitra ny antontan-taratasy firotsahan-kofidiana any amin'ny OVEC manerana ny nosy. Manodidina ny 30.000 ireo olona mirotsaka ho fidiana anatin'ny lisitra 2.900 isa... ♦ Mitera-doza ho an'ny fiaraha-monina ny vaovao tsy marina tonga any aminy. Mila mitandrina ny mpampahalala vaovao amin'izao anatin'ny zotram-pifidianana izao hoy ny vovonana VaovaoCheck... ♦ Nidina ifotony teny Andralanitra nijery ny zava-misy ny PDS ao Antananarivo-renivohitra Ramanantsoa Harilala. Manomana tetik'asa handrindrana ny fako ao Andralanitra ny mpitondra fanjakàna sy ny kaominina...

♦ Miisa 29.978 irao olona mpilatsaka ho fidiana voarain'ny OVEC miisa 120, hatramin'ny androany... ♦ Mila mitandrina ny mpampahalala vaovao amin'izao antain'ny zotram-pifidianana izao, manolona ny vaovao tsy marina miparitaka eny amin'ny fiaraha-monina sy ny tambajotra sôsialy... ♦ Tsy eken'ny RMDM, izay mety ho fikasana hanemotra indray ny datim-pifidianana, sy ny mety hisian'ny hala-bato amin'ny fahafahana mampiasa “ordonnance”...

♦ Kaominina Ambohimanga Rova : Tsy manaiky ny hanatanterahana ilay tetik'asa fanamboarana ny lalam-be mikodàna ireo mponina avy amin'ny Fokontany miisa 7 voakasika amin'izany, hitohy rahampitso indray ny fitokonana ataon'izy ireo... ♦ Ireo fanadinam-panjakàna ho amin'ity taom-pianarana 2024-2025 ity : tanterahina ny 17 jona ny fanadinana CEPE 6éme, raha ny 30 jona hatramin'ny 3 jolay 2025 ny fanadinana BEPC 2nd... ♦ Manentana ny vehivavy rehetra hanara-maso ny toe-pahasalamana hisorohana ny aretina homamiadan'ny nono sy ny vozon'ny tranon-jaza, ny Fondation Akbaraly sy ny Association Fitia...

Mba ho fanovana marina sy tena izy

“Aza asiana fiatsarambelatsihy ny fitiava-namana. Mankahalà ny ratsy ary miraiketa amin’ny tsara” (Rm 12,9). Hafatry ny Fivondronamben’ny Evekan’i Madagasikara, ho an’ny mpino kristianina katolika, ho an’ny mpitondra fanjakana, ho an’ny tanora Malagasy tsy an-kanavaka, ho an’ny mpiray tanindrazana, ary ho an’ny olona rehetra tsara sitra-po.

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...