♦ Nodimandry ny sabotsy teo ny mpitahiry ny fitombokasem-panjakàna, Ministry ny Fitsaràna teo aloha, Alice Rajaonah. Nitondra ny teny fampiononana ary nankahery ny fianakaviany ny Ministry ny Fitsaràna... ♦ Manampy betsaka ireo ray aman-dreny amin'izao fidiran'ny mpianatra izao ny fanapahan-kevitry ny Ministera manome lalana ny sekolim-panakàna handray ireo zaza any an-tsekoly hoy ny DREN Atsinanana... ♦ Notsikerain'ny sendika FISEMARE sy ny randrana sendikaly nandritra ny hetsika nataon'izy ireo tamin'ny sabotsy teo ny fehezan-dalàna mifehy ny asa nankatoavin'ny fitsaràna avo momba ny lalam-panorenana ny 8 septambra teo...
♦ Nanonona ny voady voalohany maha relijiozy salezianina azy omaly alahady ireo Nôvisy 14 mirahalahy. Nitarika ny Sorona Masina tety Ivato Mompera Alfredo Maravilla.... ♦ Hiditra an-tsekoly manomboka anio ny mpianatra any amin'ny sekolim-panjakàna sy ny sekoly tsy miankina eto Madagasikara. 9 septambra fanombohana amin'ny fomba ôfisialy ny taom-pianarana 2024-2025... ♦ Hihaona amin'ny Kaomôro any Tonizia indray anio ny Barean'i Madagasikara. Andro faharoa amin'ny lalao fifanitsanana ao amin'ny vondrona "A" afahana mandray anjara amin'ny CAN 20245...
Notanterahan’ny Arsevekan’Antananarivo, Mgr Jean de Dieu Raoelison, tamin’ny alarobia 13 aogositra 2024 ny fanendrena ny pretra ho an’ny asa fanirahana mandritra ny taom-pikatrohana 2024-2025. Misy ireo mbola manohy ny andraikiny teo aloha, misy kosa ireo voatendry hiandraikitra iraka vaovao.
Alahady faha-23 mandavantaona - B : Tia, tsy manavaka ny Tompo ; Sokafy ny fonay, ry Tompo, mba hitandremanay ny tenin’ny Zanakao. Ny tonin-kira fidirana dia maneho ny fitiavan'Andriamanitra ary tsy manavaka Izy : Marina Ianao, ry Tompo, ary mahitsy ny fitsarànao. Araka ny hatsaram-ponao atao ny mpanomponao. Eo anatrehan'ny Tompo dia mitovy ny olona rehetra, araka izy efa voasoratra Jak 2, 5 : Henoy ange, ry rahalahy malalako: Moa tsy ny mahantra eo imason'izao tontolo izao va no nofidin'Andriamanitra ho mpanan-karena amin'ny finoana, sy ho mpandova ny fanjakana nampanantenainy an'izay tia azy?. Olona maro no voafatotry ny fahasahiranana ka tsy afaka mifanerasera amin'ny hafa, maro ireo iharan'ny fanilikilihana...
“Aza asiana fiatsarambelatsihy ny fitiava-namana. Mankahalà ny ratsy ary miraiketa amin’ny tsara” (Rm 12,9). Hafatry ny Fivondronamben’ny Evekan’i Madagasikara, ho an’ny mpino kristianina katolika, ho an’ny mpitondra fanjakana, ho an’ny tanora Malagasy tsy an-kanavaka, ho an’ny mpiray tanindrazana, ary ho an’ny olona rehetra tsara sitra-po.
Tohiny...
I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...
Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2026 Radio Don Bosco