♦ Miantso ny hery velona sy ny ankolafi-politika tsy ankanavaka hanatrika ilay fihaonana hatao eny Tsimbazaza anio ny filohan'ny antenimieram-pirenena. Fihaonana hanehoana ny olana eto amin'ny Firenena sady hikatsahana vahaolana momba izany... ♦ Natomboka tamin'ny fomba ôfisialy omaly ny amin'ny fampirantiana eny amin'ny zaridainan'Anosy ny fahatsiarovana ny tolom-panafahana ny 29 marsa 1947... ♦ Nivory omaly sendikan'ny Mpiraki-draharaham-panjakàna eto Madagasikara. Herinandro no omen'izy ireo ny fitondrana hamaliana ny fitakiana, raha tsy izany handray fepetra amin'ny tohin'ny tolona izy ireo... ♦ Notafihin'ny kômandô mitam-piadiana alina ny efitrano fijerena fampisehoana iray tao Moscou any Rosia, maro ny maty...
Tsapan'ireo vehivavy nanala zaza ireo fa silaky ny ainy no novonoiny, tsapany ihany ko a fa fihetsika mamoafady ny vitany, hany ka na izy latsa-panenenana na izy voan'ny aretin-tsaina na mitondra ratra am-po, isaky ny mahita zaza izy dia mitamberina ao an-tsainy ny zavatra nataony. Soso-kevitra ho an'ireo tafalatsaka tao anatin'io fomba tsy mendrika io dia ny miresaka amin'ireo pretra na eveka afaka mitantana am-panahy. Katesizy momba ny fanalan-jaza, iarahana amin'i P. Sedera Joseph Rakotoarisoa.
23 marsa 2024 — Sabotsy, Herinandro Fahadimy amin'ny Karemy — Amorony fo madio aho, ry Andriamanitra; amereno ny hafaliana avy amin’ny vonjinao — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Joany (Jo. 11, 45-56)
Manana ny anjara toerany amin’ny fihariana sy ny toekarena eny ambanivohitra ny fiompiana sy ny famokarana tantely. Manodidina 10.300 ny isan’ny mpiompy araka ny tarehimarika tamin’ny taona 2012, ary nisy zanatohatra tantely iray hetsy teo ho eo kosa nanerana an’i Madagasikara. Miovaova ny lanjan’ny vokatra nahondran’i Madagasikara.
• Notanterahana ny 21 sy 22 jona 2025 ny hetsika entina hanohanana ny Seminera Zandriny, tao amin'ny Diosezin'Antsirabe, sady nankalazana ny fetin'ny Sakramenta Masina... • Katesista miisa 11 no nahavita fiofanana nandritra ny folo volana ka navoaka tamin'ny fomba ofisialy ny 24 jona 2025, tao amin'ny Diosezin'i Farafangana... • Nataon'Andriamanitra ho vatofehizoro ny vato nolavina, hoy ny Papa Léon XIV, nandritra ny vavaka Angelus omaly alahady, nankalazana ny fetin'i Masindahy Piera sy i Paoly...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco