Olana mbola misy eto Madagasikara ny tsy fanjarian-tsakafo. Ny andro sôsialy dia hetsika fanao isan-taona izay karakarain'ny APSE "Apostolat Social et Écologique", avy amin'ny fikambanan'i Jesoa ; amin'ity taona 2024 ity dia amin'ny 16-17-18 mey no hanatontosana izany, hetsika hiresahana ny tsy-fanjarian-tsakafo. Ny fanjarian-tsakafo : fahafahana misitraka sakafo, fahefa-mividy, fahafahana mampiasa sy mihinana sakafo. Fandaharana "miaina sy mitia" eto amin'ny radio Don Bosco, iarahana amin'ny Ivon-toerana Arrupe Madagasikara.
♦ Notendren'ny Papa François ho Eveka ao amin'ny Diôsezin'i Maintirano, i P. Rakotoasimbola Clément Herizo... ♦ Marihana sy ankalazaina anio 3 mey, ny Andro Eran-tany ho an'ny Fahalalahan'ny Asa Fanaovan-gazety... ♦ Olon-tsotra iray, naratra teny Ankatso; mpianatra iray no naratra ary mpianatra iray hafa torana, teny Vontovorona, vokatry ny fandravan'ny mpitandro ny filaminana ny fitakian'ireo mpianatra...
Zava-Masina sy ambony ny mariazy. Ny mariazy dia sakramenta raisina vokatry ny safidy, izay ilàna fiomanana amin'io iraka io, dia ny ho vavolombelon'ny fitiavana sy hanohy ny asa-pahariana. Ny mariazy dia tandindon'ny fifankatiavana mandra-maty, fankatoavana ny andraikitra feno amin'ny maha ray sy reny, taratry ny fahaleovan-tena ihany koa. Katesizy momba ny tanora miomana hiditra tokan-trano, iarahana amin'i P. Thierry Germain Randriamiarantsoa.
3 mey 2024 — Masindahy Filipo sy Jakôba, Apôstôly — Fankalazana — Izaho no Lalana sy Fahamarinana ary Fiainana, hoy ny Tompo: izay mahita Ahy, mahita ny Ray, ry Filipo — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Joany (Jo. 14, 6-14)
• Ho kristianina mitondra hazavana sy hafanana, hanome hafaliana sy fanantenana ho an'ny hafa. Izany hafatry ny Arsevekan'Antananarivon, nandritra ny fankalazana ny Andron'ny Diosezin'Antananarivo... • Nitombo roa indray ny pretra Saleziana Don Bosco. Notanterahana omaly, tany Betafo, ny fanamasinana azy ireo... • Nanatanteraka ny Andro Voalohany ho an'ny Ankizy tao amin'ny Diosezin'i Farafangana, nanomboka ny 22 hatramin'ny 25 aogositra 2025...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco