Tian'Andriamanitra ny hanome namana ny olombelona, hiara-hiaina amin'ny araka izany. Tsy maintsy mifankatia mba ho afaka hiara-hiaina toa ny Trinite Masina, izany hoe miaina ny fitiavan'Andriamanitra. Efa nomen'Andriamanitra antsika ny fitiavana, tokony ho fantarany kosa ny fotoana hamohazana azy, sy ny hanorenana tokan-trano. Katesizy momba ny tanora miomana hiditra tokan-trano, iarahana amin'i P. Thierry Germain Randriamiarantsoa.
16 aprily 2024 — Talata, Herinandro fahatelo Fankalazana ny Paka — Nitsangan-ko velona i Kristy, sady nitondra antsika amin’ny mazava; isika izay navotany tamin’ny Rany — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Joany (Jo. 6, 30-35)
♦ Manomboka mamoaka didy momba ireo fitoriana voarainy, momba ny firotsahan-ko fidiana ho Solombavam-bahoaka, ny HCC... ♦ Miantso fivoriana tsy ara-potoana eo anivon'ny Kaominina Antananarivo, ny sendikàn'ny mpiasa. Nambaran'izy ireo androany fa misy fitantanam-bola tsy mazava eo anivon'ny SMGD... ♦ Olona enina no efa namoy ny ainy tato anatin'ny iray volana, vokatry ny fakana an-keriny any amin'ny Distrikan'Anjozorobe. Mbola misy ny takalon'aina tsy mbola votsotra hatramin'izao, hoy ny zanak'ity Distrika ity...
♦ Tontosa omaly ny fanamasinana ho Evekan'ny Diôsezin'i Morombe an'i Mgr Jean Désiré Razafinrina... ♦ Nanatontosa fivoriambe, ireo relijozy rehetra miasa ao amin'ny Diôsezin'Ambanja tamin'ny 4 hatramin'ny 7 aprily 2024... ♦ Hotanterahana ao Vohipeno, toerana naha martiry an'i Ramose Botovasoa, Olontsambatra, ny fanokafana ny taon-jobily fahatelo nandraisan'i Masindahy François ny fery dimin'i Kristy...
• Ho kristianina mitondra hazavana sy hafanana, hanome hafaliana sy fanantenana ho an'ny hafa. Izany hafatry ny Arsevekan'Antananarivon, nandritra ny fankalazana ny Andron'ny Diosezin'Antananarivo... • Nitombo roa indray ny pretra Saleziana Don Bosco. Notanterahana omaly, tany Betafo, ny fanamasinana azy ireo... • Nanatanteraka ny Andro Voalohany ho an'ny Ankizy tao amin'ny Diosezin'i Farafangana, nanomboka ny 22 hatramin'ny 25 aogositra 2025...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco