♦ Manohy ny asa andavan'androny amin'ny fiarovana ny vahoaka sy ny fananany ny foloalindahy na eo aza ny fankalazana ny fetin'ny Krismasy hoy ny Ministra ny jeneraly Rakotoarijaona Josoa... ♦ Nahitana fiakarana ny tahan'ny farim-pahaizan'ny mpianatra sy ny voka-panadinam-panjakàna azo, tamin'ireo sekoly ambaratonga fototra niasan'ny tetik'asa SCORE... ♦ Misokatra ny fanadihadiana mahakasika ilay tranga faharendrehan'ny lakana misy motera tany amin'ny reniranon'i Manampatrana Farafangana, loza izay nitranga ny harivan'ny 21 desambra lasa teo... ♦ Nandefa taratasy fiaraha-miory amin'ireo fianakavian'ireo namoy ny ainy tamin'ilay tranga fitifirana nahafatesana olona 13 tao Prague ny Papa François...
Matoky sy manankina ny fiainany amin'Andriamanitra ny Kristiana. Marina fa tokony hiezaka hanao izay fara hery isika amin'ny asa fivelomana saingy tokony matoky tanteraka ny fitondran'Andriamanitra ny fiainantsika ihany koa satria " ny fon'ny olona no misaina izay alehany, fa ny Tompo ihany no mitondra ny diany". Apetraho amin'Andriamanitra izay atao rehetra sy ny fikasana. Katesizy momba ny Eglizy, ny fianakaviana sy ny fivoaram-piainana, iarahana amin'i P. Bertrand Ratovoalinirina.
23 desambra 2023 — Sabotsy, herinandro mialoha ny Noely — Ianao ilay Emanoela Mpanjaka sy Mpanalalana anay; avia hamonjy anay, ry Tompo Andriamanitray — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka (Lk 1, 57-66)
♦ Nankahery manokana ny mpitandro ny filaminana androany, ny Ministry ny Fiarovam-pirenena. Nampahatsiahy ny Jeneraly Rakotoarijaona Josoa, fa adidy sy andraik'izy ireo ny fiarovana ny vahoaka sy ny fananany... ♦ Hahazo fiahiana ara-tsôsialy atsy ho atsy, ireo Malagasy mpiasa tena amin'ny sehatra tsy manara-drafitra, izay mandrafitra ny 90%-n'ny mpiasa Malagasy... ♦ Natao tao Toamasina ny varotra ampahibemaso ireo fiara nogiazan'ny ARAI. Fiara miisa 17 no voakasik'izany...
• Notanterahana tao amin'ny Sanctuaire Lakroa Masina ao Łysa Góra ny alarobia 9 jolay 2025, ny fombam-pivavahana namindrana ny reliques an'ny Lakroa Masina, ho entin'i Mgr Marek Ochlak, Evekan'ny Diosezin'i Fenoarivo Atsinanana, ho aty Madagasikara... • Manentana antsika mianakavy hivavaka ho an'ny fianarana mandanjalanja ny Papa, ao anatin'ny Tambajotram-pivavahan'ny Papa maneran-tany, amin'ity vola jolay ity... • Mampirisika ny zokiolona ny Papa, mba hitahiry amim-pitokiana ao amin'ny Tompo ary hanaiky havaoziny isan'andro amin'ny fihaonana aminy, ao anatin'ny vavaka sy ny Sorona Masina. Ambarany izany ao anatin'ny hafatra ho an'ny Andro Maneran-tany faha-5 ho an'ny raibe sy ny renibe ary ny zokiolona...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco