♦ Tsy misy miova ny fampianaran'ny Eglizy Katôlika momba ny mariazy, hoy i Mompera Jean Séraphin Rafanomezantsoa, manoloana ny fanambarana navoakan'ny Dikasteran'ny Fampielezana ny Finoana, momba ny fanambadian'ny olona mitovy fananahana... ♦ Fanendrena Eveka, Sinaody, fananganana Olomasina, fiainam-pirenena: ireo no nivoitra tamin'ny dian'ireo mpikambana ao amin'ny Birao Maharitry ny Fivondronamben'ny Evekan'i Madagasikara tany Rôma, tamin'ny faran'ny volana nôvambra teo...

Nahazo vokatra tsara amin'ny fikarohana nataony momba ny zezika kankana Andriamatoa Ranaivoarison Basile na i Papa Bio. Nivoatra dia nivoatra mantsy ny vokatra azo na tamin'ny fiompiana kankana na ny famokarana zezika ary indrindra ny vokatr'izany tamin'ny fampiharana azy amin'ny fambolena...

♦ Tsy afaka manao mpanolotsain'ny tanàna na mpanolotsaina monisipaly intsony, ny loha listra tsy lany tamin'ny fifidianana Ben'ny Tanàna, raha ny voafaritry ny lalàna... ♦ Manentana ireo vehivavy hiroso amin'ny fandraisana andraikitra eo amin'ny sehatra pôlitika ny Filankevi-Pirenena ho an'ny Vehivavy eto Madagasikara, na ny CNFM... ♦ Tombanana hitombo 14%, raha oharina amin'ny tamin'ny taon-dasa ny tahan'ny fampidiran-ketra amin'ity taona 2023 ity, hoy ny Tale Jeneralin'ny Hetra... 

Manao ny tomban'ezaky ny Fandaharana EVA niandraiketany ny solontenan'ny Vaomieran'ny Eveka misahana ny Pastooralin'ny Fahasalamana. Tsiahivina ny loha-hevitra nifampizarana nandritra ny taona ary angatahina amin'ny mpihaino ny heviny sy ny soso-kevitra hanatsarana sy hifampizarana amin'ny taona ho avy. Fandaharana "miaina sy mitia" iarahana amin'ny ivon-toerana Arrupe Madagasikara...

[Miara-dàlana] Zoma 19 septambra 2025

• Hotanterahana ao amin'ny kianjan'ny Kolejy Masina Misely Amparibe ny alahady 21 septambra 2025, ny fanamasinana ho Eveka an'i Mompera Mamiarisoa Modeste Randrianifahanana... • Nankalaza ny fanandratana ny Hazofijaliana Masina ny Diosezin'i Port-Bergé... • Mamelona indray ny fanantenana ny famafana ny ranomaso, hoy ny Papa Léon XIV, tamin'ny fankalazana ny Jobilin'ny Fanalana Alahelo...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...