Hiroso amin'ny fifidianana any amin'ny fokontany, ny kaominina, ny distrika ary ny faritra ny eo anivon'ny Tranoben'ny Tantsaha Mpamokatra manomboka amin'ity volana nôvambra ity. Tapitra mantsy y fe-potoan-kiasan'ny birao sy ny filan-kevi-pitantanana. Hanomboka ny 20 nôvambra izao ny fifidianana eny anivon'ny kaominina ka ny tantsaha manana karatra maha mpikambana no afaka mandray anjara amin'ny fifidianana ho an'ny eo anivon'ny kaominina noho miakatra...
♦ Miandrandra ny hahombiazan'ny FFKM amin'ny famahana ny olana eto amin'ny firenena, ny vovonan'ny fiarahamonim-pirenena Ifarimbona... ♦ Miantso ny Malagasy hitandro mandrakariva ny firaisam-pirenena, ny antoko MONIMA. Tandindomin-doza, hoy ity antoko ity, ny firenena noho ny fanodinana ny fifidianana ho fividianana ny safidim-bahoaka... ♦ Miisa 28 ireo mpilalao handrafitra ny Barean'i Madagasikara, handray anjara amin'ny lalao fiadiana ny amboara eran-tany amin'ny baolina kitra, amin'ny taona 2026, hanomboka amin'ity volana nôvambra ity...
Lalana tsy maintsy diavina ny fahafatesan'ny olona akaiky ary miaina dingana ara-psykôlôjika ny olona iray rehefa misaona. Azo diavina tsara ny fisaonana ary misy 7 ny dingana mety ho lalovana ao anatin'izany. Betsaka ireo fiovana mety hiseho eo amin'ny fomba fisainana sy ny fitondran-tena ary maty ho marobe ihany koa ireo fihetsem-po izay hifamaofao mandritry ny fandalovana amin'ireo dingana ireo. Noho izany, mitaky fahaizana miatrika mahomby ny fiainana ireo dingana ireo ary miankina amin'ny fomba fiatrehana azy no hahatafavoaka na tsia ao amin'ilay fisaonana. Na mafy aza ny fisarahana an-tany dia betsaka ireo azo hatao mba hanana filaminana sy fitoniana anaty, aorian'ny fahafatesan'ny olona akaiky...
♦ Hiainga anio maraina hiazo ny Diôsezin'i Moramanga ny nofo mangatsiakan'i Mgr Antoine Scopelliti. Nandrasana tao amin'ny Eglizy Kristy Mpanjaka Manjakaray izy alina... ♦ Manohy ny fihaonana amin'ireo hery velona samihafa eto amin'ny firenena ny ao amin'ny FFKM. Isan'ny nanatrika ny fotoana omaly ny Filohan'ny Antenimieram-pirenena, Christine Razanamahasoa sy ny Filohan'ny CENI, Dama Arsène Andrianarisedo... ♦ Nanatitra taratasy teny amin'ny Masoivoho frantsay omaly, ny palremantera malagasy miara-dia amin'ny vondron'ireo kandidà...
• Notontosaina omaly ny fanaovam-beloma farany an'i Mompera Rakotosamimanana Nicolas, pretran'ny Diosezin'i Mahajanga, nodimandry teo amin'ny faha-58 taonany... •“Discernement spirituel pour le développement intégral”, izay no lohahevitra nanamarihana ny “Journée des Cadres Chrétiens”, teto amin'ny Diosezin'Antananarivo... • Fanentanana ny kristianina hiaro, hizara ary hiaina ny finoana, no nataon'i Mgr Jean de Dieu Raoelison, nandritra ny fankalazana ny ivon'ny faha-100 taonan'ny EKAR Masindahy François Xavier Antanimena...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco