• Nomen'ny Filankevi-panjakana rariny androany, ny Ben'ny Tanana Marthino Solonirina Zou, ao amin'ny Kaominina Ambanivohitra Ambodinonoka, Distrikan'i Vatomandry... • Namoaka ny andiany mpiofana tao aminy nisalotra ny anarana “Henikazy” ny Université Catholique de Madagascar, ka mpianatra miisa 287 no notolarana ny diplaoma Master 2, avy amin'ny sampam-piofanana samihafa... • Fanambin'ny Federasiona Iraisam-pirenen'ny Baolina Kitra ny hametraka ny ivon-toerana eny Carion ho modely, ao aorian'ny fahavitany. Higadona eto Madagasikara hitokana izany ny Filohan'ny FIFA, raha ny namabaran'ny Filohan'ny Federasiona Malagasin'ny Baolina Kitra androany...
♦ Mandray ny filan-kevitry ny ministra mitety Faritra ny ao Fianarantsoa androany. Fianakaviana 17.000 no hisitraka fanomezana avy amin'ny filohan'ny repoblika mandritra ny diany ao Matsiatra-Ambony. Hitokana zava-bita maro ny filoha... ♦ Nifarana amin'ny fomba ôfisialy nanomboka omaly ny asan'ny Sampandraharaha Amerikana Misahana ny Fampandrosoana Iraisam-pirenena (USAID). Ny Departemantam-panjakàna Amerikana no hiandraikitra ny fitantanana sy fanatanterahana ireo tetik'asan'ny USAID teo aloha... ♦ Hampahafantarina rahampitso ny vokatry ny fanadihadiana tamin'ny Faritra 23 momba ny tsy fahampiana singa mpamelona toa ny vitamina sy sira mineraly ilain'ny ENCM...
Fotoana fialantsasatra izao (Jolay-Septambra), betsaka ireo ankizy mijanona ao an-trano mijery "ECRAN" na mampiasa finday ela loatra kanefa mety hisy fiantraikany amin'ny fahasalaman'ny maso sy ny saina ireny. Ny taova rehetra ao amin'ny ankizy dia mbola an-dalan'ny fivoarana, noho izany dia marefo. Ny "ECRAN" dia misy lafi-tsarany, enti-mampianatra ; misy lafiny ratsy koa, ny fahasimban'ny maso... Fandaharana "Ampela Miary" tontosaina eto amin'ny Radio Don Bosco.
♦ Manambana hitokona ny mpiasan'ny JIRAMA raha tsy misy ny vahaolana mato-paika ho an'ity orinasa ity. Tandondomin-doza ny firenena noho ny olan'ny orinasa. Mitaky fandraisan'andraikitra miaraka izy ireo... ♦ Nanamafy ny Ôfisy Malagasy ny ankoraafo fa ampy tsy misy atahorana ny tahirin-tsolika eto Madagasikara. Mbola misedra olana amin'ny fahitana solika nefa ny mpanjifa tamin'ny omaly... ♦ Nihena ny voka-bary tany amin'ny Faritra Alaotra-Mangoro tamin'ity taona ity. Noho ny fikorontanan'ny tetiandrom-pamokarana ho an'ny tantsaha any amin'ny tapany avaratra sy atsimon'ity faritra ity no antony mahatonga izany...
• Namaly ny antso avo nataon'ny Papa Léon XIV ny Fivondronamben'ny Eveka eto Madagasikara, ka nanentana ny vahoaka kristianina rehetra hivavaka sy hifady haninana ho an'ny fandriampahalemana eto Madagasikara sy maneran-tany, ny sabotsy 11 oktobra 2025... • Nanao antso avo hampitsaharana ny ady any Gaza sy nitalaho ny mba hisian'ny fandriampahalemana marina sy maharitra, ny Papa Léon XIV, mialoha ny vavaka Angelus omaly... • Vita sonia ny sabotsy teo ny Fanentanana Apostolika voalohany, nosoratan'ny Papa Léon XIV...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco