♦Nilaza indray ny filohan'ny Antenimieran-doholona Razafimahefa Herimanana fa norahonana ho faty izy sy ny fianakaviany mba handà ny andraikitra, maha-filoha mpisolo toerana azy... ♦ Fanehoan-kevitry ny filohan'ny antenimieran-doholona samirery fa tsy an'ny loholona rehetra ny nambaran'Andriamatoa Razafimahefa Herimanana tamin'ny alahady teo hoy ireo loholona 14 omaly hariva... ♦ Hanomboka anio ny fampielezan-kevitra amin'ny fifidianana filoham-pirenena, ka tsy hifarana raha tsy amin'ny sabotsy 7 novambra 2023 amin'ny misasakalina...

Raha tsy nipetraka sy tsy manaja ny toerana sy andraikitra tokony hosahaniny ny mpitondra Fanjakana, izany hoe mihoatra ny faritry ny fahefany ka mampahory ny olom-pirenena, amin'izay dia azon'ny olom-pirenena atao ny tsy handà ny hanatanteraka izay zavatra tena ilaina amin'ny soa iombonana, izany hoe izay hitany fa tsara mikatsaka ny soa ho an'ny daholobe. Katesizy momba ny ankohonana, iarahana amin'i P. Eric Frank Randriamiandrinirinarivo. 

10 ôktôbra 2023 — Talata, Herinandro Tsotra fahafito amby roapolo Mandavantaona — Sokafy, ry Tompo, ny fonay mba hitandremanay ny tenin-Janakao — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka (Lk. 10, 38-42)

♦ Tongotra mby an-dakana ny an'ny CENI, fa hanomboka rahampitso ny fampielezan-kevitra amin'ny fifidianana izay ho Filoham-pirenena, fiodinana voalohany... ♦ Nanohy ny hetsi-pitakiana teny Itaosy, Distrikan'Antananarivo Atsimondrano, ny vondron'ireo kandidà 11 androany. Hitsabo tena any ivelany kosa ny kandidà laharana faha-7, Andry Raobelina... ♦ Nisokatra androany ny fankalazan'ny Réseau SOA ny faha-20 taona nijoroany. Nanokatra izany tamin'ny fomba ôfisialy, ny Minisitry ny Fambolena sy ny Fiompiana, Ramilison Harifidy...

[Miara-dàlana] Alatsinainy 8 septambra 2025

• Mibanjina, mitandrina ary mahafoy: izay no hafatra napetrak'i Mompera Rakotondranaivo José Gaston, Provinsialin'ny Fikambanana Salezian'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maurice, nandritra ny voady voalohany nataon'ireo frera miisa 13 mirahalahy avy eo anivon'ity fikambanana ity... • Notanterahana tao anatin'ny efatra andro ary nifarana omaly, ny “Festival de la diaconie de la beauté” sy ny “Foire du Diocèse vert”, tany amin'ny Arsidiosezin'Antsiranana...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...