♦ Fantatra araka ny hatsapaka natao io antoandro io, ny laharan'ireo kandida anatin'ny biletà tokana... ♦ Fotoana mahabe ireo kaonty hosoka sy fandikan-dalàna amin'ny tambazotran-tserasera ny vanim-potoana akaiky fifidianana toy izao, ka nampahatsiahy, ny sazy araka ny lalàna mifehy izany ny sampandraharaha miady amin'ny heloka an'habaka... ♦ Nahazo ny laharana faharoa maneran-tany teo amin'ny fiadiana ny amboara eran-tany amin'ny fibatana fonjam-by i Madagasikara tamin'ny alalan'i Rosinah... ♦ Lavin'ny fanjakàna marôkana ny fanampiana avy amin'ireo firenena maro any ivelany, na dia efa 2.100 mahery aza ny olona maty, ary manodidina ny 2.500 ny naratra vokatr'ilay horohoron-tany nitranga tamin'ny zoma alina...
♦ Fiaraha-mitantan'ny Governemanta, eo ambany fitarihan'ny Praministra Ntsay Christian, ny fitondrana ny firenena amin'izao fotoana izao, araka ny fanapahana navoakan'ny HCC... ♦ Notokanana sy notsofin-drano omaly ny EKAR Olotsambatra Jacques Désiré Laval, any Sahavola, Fenoarivo-Atsinanana... ♦ Afa-po tanteraka ny mponina any Alaotra-Mangoro noho ny fahavitan'ny lalam-pirenena faha-44 , izay nofy ratsy niainan'izy ireo hatramin'izay... ♦ Any Maroc, tafakatra 2.100 isa ankehitriny ny olona namoy ny ainy, vokatry ny horohoron-tany izay nitranga tany an-toerana tamin'ny zoma hariva...
Mifameno ny lehilahy sy ny vehivavy, eo amin'ny tontolon'ny asa, ilaina eo amin'ny lafiny rehetra isehoan'ny fiainam-piara-monina ny talenta mampiavaka ny vehivavy. Ilaina ny manome sehatra ny vehivavy ary tsy maintsy atao ny ezaka mba ho azo antoka ny fisian'ny vehivavy amin'ny sehatry ny asa. Manana adidy manokana ny vehivavy ao an-tokantrano, zava-dehibe ny maha-reny. Katesizy momba ny asa, iarahana amin'i P. Rakotondramanana Soloniaina Jean Emilien.
11 septambra 2023 — Talata, Herinandro Tsotra fahatelo amby roapolo Mandavantaona — Alao tampina ny masoko, ry Tompo, hibanjina ny zava-mahagaga amin’ny lalànao — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka (Lk. 6, 6-11)
• Mila mpitondra hafatra ho an'ny fanantenana izao tontolo izao, hoy ny Ray masina, tamin'ny fanokafana ny Jobilin'ny Tanora ny 29 jolay 2025... • Nosokafana androany maraina, tao amin'ny Distrikan'i Mahitsy, ny Jobilin'ny Tanora sy Andron'ny Tanora eto amin'ny Diosezin'Antananarivo... • Nankalaza ny Taon-jobily ihany koa ny tao amin'ny Diosezin'i Port-Bergé, ny Tanora tao amin'ny Faritra Androna...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco