♦ Natao hanampy ny fitondrana mpanatanteraka amin'ny asany ny fihaonana eo amin'ny loholona sy ny mpikamban'ny governemanta hoy ny filohan'ny antenimieran-doholona Richard Ravalomanana... ♦ Mbola azo atao tsara ny manarina ny orinasa JIRAMA raha tena atao laharam-pahamehana hoy ny solombavambahoaka Rajerison Antoine... ♦ Nitrangana fanampoizinana ara-tsakafo nandritra ny lanonana iray nitranga teny Ambohimangakely omaly alahady, anatin'ny fanadihadiana hamaritana ny zava-nitranga nahatonga  izany ny tompon'andraikitra amin'izao fotoana izao...

26 Jona 2025, feno 65 taona amin’ity taona ity no niverenan’ny fahaleovantenan’i Madagasikara. Amin’ny maha firenena mahaleotena antsika izay, dia mari-pamantarana an’izany ny fananana ny sainam-pirenena. Manana ny sainam-pirenena mampiavaka antsika amin’ny firenena hafa i isika malagasy. Teo amin’ny tantara dia ny Romana sy grika no nampiasa ny saina voalohany nentina namantarana ny Fanjakana sy ny antokon-tafika tao aminy. Fampiasa tamin'ny sehatry ny ady hanavahana ny tafika mifanandrina avy ny saina. Tamin'ny taonjato faha 16 kosa vao nanana ny endriny fahita amin'izao fotoana izao ny saina dia ny lamba mihofahofa.

♦ Nihaona tamin'ireo mpino teratany Malagasy mipetraka any Rome omaly alahady ireo Evekan'i Madagasikara nandritra ny hetsika fivahinianana Masina ataon'izy ireo any an-toerana... ♦ Fepetra isany takian'ny tahirim-bola iraisam-pirenena (FMI) ho an'ny famatsiam-bolan'ny FEC sy ny FRD 2025 ny volavolan-drija-tenin-dalàna mifehy ny fitantanana ny kitapom-bolam-panjakàna vaovao, izay nankatoavina nandritra ny filan-kevitry ny ministra manokana ny faran'ny herinandro teo...♦ Tsy tanteraka ilay hetsika nokasain'ny Gasy MRV, saika natao teny Antanimbarinandriana tamin'ny sabotsy teo, hetsika saika hanehoana hevitra momba ny olan'ny delestazy...

16 jona — Teraka ny 31 janoary 1597 tao Fontcouverte, Aude i Jean-François Régis. Tsotra ireo ray aman-dreniny. Ary mbola kely izy dia efa niseho ho apôstôly raha izy nianatra tao amin’ny kolejin’ny jezoita tao Béziers. Teo amin’ny faha-19 taonany izy no niditra tao amin’ny noviciat tao Toulouse, ary modely ho an’ny mpianatra rehetra izy tao.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 6 oktobra 2025

• Namaly ny antso avo nataon'ny Papa Léon XIV ny Fivondronamben'ny Eveka eto Madagasikara, ka nanentana ny vahoaka kristianina rehetra hivavaka sy hifady haninana ho an'ny fandriampahalemana eto Madagasikara sy maneran-tany, ny sabotsy 11 oktobra 2025... • Nanao antso avo hampitsaharana ny ady any Gaza sy nitalaho ny mba hisian'ny fandriampahalemana marina sy maharitra, ny Papa Léon XIV, mialoha ny vavaka Angelus omaly... • Vita sonia ny sabotsy teo ny Fanentanana Apostolika voalohany, nosoratan'ny Papa Léon XIV...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...