26 mey 2023 — Zoma, Herinandro fahafito fankalazana ny Paka — Mandehana, mampianara ny firenena rehetra. Indro Aho eo aminareo ambara-pahatapitr’izao tontolo izao — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Joany (Jo. 21, 15-19)
♦ Hampitombo ireo lesoka sy tsy fanarahan-dalàna nandritra ny fifidianana tamin'ny taona 2018, ny tsy fanovana ny lalàna mifehy ny fifidianana, ho ny KMF/Cnoe... ♦ Velaran-tany 45.000 Ha no simba any amin'ny faritra arovana Menabe Antimena, tato anatin'ny 20 taona, vokatry ny fifindra-monina. Omena tany 2 Ha isan'isany, ireo fianakaviana 500 mpifindra monina any, anatin'ny tetikasa "Titre Vert"... ♦ Olona telo no naratra, iray maty, vokatry ny asan-jiolahy sy halatra omby, tany amin'ny Distrikan'i Fenoarivobe, ankoatra ireo omby 20 very...
♦ Mahatratra 200 miliara Ariary ny trosan'ny orinasa JIRAMA, vidin-jiro sy rano tokony halohan'ny mpanjifa kanefa tsy naloany tao anatin'ny 5 taona. Hitaky izany trosa izany ny orinasa noho ny fahasahiranana lalovany ankehitriny... ♦ Manamafy ny fanambarana nataon'ny Praiministra lehiben'ny governemanta ny amin'ny hisian'ny fifidianana filohan'ny repoblika amin'ity taona ity ny solombavambahoaka miara-dia amin'ny fitondrana... ♦ Hapetraka ny rafitra hanenàna ny tahan'ny olona voatazona am-ponja ao Antanimora. Nahato ihany koa ny famoahana voafonja hiasa ivelan'ny fonja hoy ny Ministry ny Fitsaràna Mbolatiana Randriamanantenasoa... ♦ Nodimandry teo amin'ny faha-83 taonany tany Suisse i Tina Turner, mpanjakavavin'ny Rock'n roll...
Zaro amin'ny lalana tokony alehany ny zanaka dia hanana ny fahavanonam-piainana izy. Ho lavitry ny herisetra sy ny risoriso izay manapotika ny fiaraha-monina izy ireo raha voataiza hanaraka ny lalana tsara. Fandaharana "mba ho vanona" iarahana amin'ny jeneraly Ramakavelo Désiré.
• Ho kristianina mitondra hazavana sy hafanana, hanome hafaliana sy fanantenana ho an'ny hafa. Izany hafatry ny Arsevekan'Antananarivon, nandritra ny fankalazana ny Andron'ny Diosezin'Antananarivo... • Nitombo roa indray ny pretra Saleziana Don Bosco. Notanterahana omaly, tany Betafo, ny fanamasinana azy ireo... • Nanatanteraka ny Andro Voalohany ho an'ny Ankizy tao amin'ny Diosezin'i Farafangana, nanomboka ny 22 hatramin'ny 25 aogositra 2025...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco