Tsy "idéologie" no ampianarin'ny Eglizy na tsikera tsy mitombona fa fanajana ny finoan'ny tsirairay ary izay tsy hapotika ny firenena, izany hoe mikatsaka ny fampandrosoana hatrany. Ny pôlitika amin'ny Egizy dia tsy fitsetsefana mivantana na ankolaka ny olona ohatra hoe ampahafolon-karena. Ny Eglizy dia manao ny andraikiny amin'ny fanabeazana indrindra ny ara-moraly. Katesizy momba ny politika araka ny fijerin'ny Eglizy, iarahana amin'i P. Rakotondramanana Soloniaina Jean Emilien. 

Zoma 24 marsa 2023 — Herinandro fahefatra amin'ny Karemy — Izaho no fananganana ny fiainana, hoy ny Tompo; izay mino Ahy dia tsy ho faty mandrakizay — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Joany (Jo. 7, 1-2. 10. 25-30)

♦ Nomontsanin'i Centrafrique, ny Barean'i Madagasikara androany tolakandro. Resin'ny Fauves Centrafricaines tamin'ny isa 3-0, ny ekipantsika nandritra andro faha-3 amin'ny fifanintsanana CAN 2023... ♦ Nanao fanambarana teny Ambohimanambola androany, ireo Solombavam-bahoaka mpanohitra, namaly ilay fanapahana navoakan'ny HCC, momba ilay fitsipaham-pitokisana ny Governemanta. Milaza ho tsy matoky intsony ity Andrim-panjakana ity izy ireo, manoloana ny fiatrehana ny fifidianana... ♦ Olona telo sahady no voasambotra, noho ny hosoka nataon'izy ireo fa mahavita Passeport, tao aorian'ny fiverenan'ny fanavaozana Passeport eo anivon'ny Polisim-pirenena omaly...

♦ Hanao vaindohan-draharaha ny famerenana ny fandriam-pahalemana amin'izao ankatoky ny fifidianana izao ny mpitandro ny filaminana, hoy ny Minisitry ny Fiarovam-pirenena, ny Jeneraly Rakotoarijaona Josoa... ♦ Hifarana anio ny fe-potoam-piasan'ny Filankveitra Ambony Miaro ny Demôkrasia sy ny Fanjakana Tan-dalana. Noraisin'ny Filankevitry ny Minisitra omaly ny didim-panjakana manamarina izany. Tsy anio, fa mbola amin'ny septambra vao tapitra ny fe-potoam-kiasan'ny HCDDED, hoy ny Filohany... ♦ Ankalazaina androany, ny Andro Eran-tany ho an'ny Toetry ny andro. Amin'ny alalan'ny fambolen-kazo no anehoan'ny Minisitera tompon'andraikitra sy ny Sampana Mpamantatra ny toetry ny andro izany...

[Miara-dàlana] Alatsinainy 6 oktobra 2025

• Namaly ny antso avo nataon'ny Papa Léon XIV ny Fivondronamben'ny Eveka eto Madagasikara, ka nanentana ny vahoaka kristianina rehetra hivavaka sy hifady haninana ho an'ny fandriampahalemana eto Madagasikara sy maneran-tany, ny sabotsy 11 oktobra 2025... • Nanao antso avo hampitsaharana ny ady any Gaza sy nitalaho ny mba hisian'ny fandriampahalemana marina sy maharitra, ny Papa Léon XIV, mialoha ny vavaka Angelus omaly... • Vita sonia ny sabotsy teo ny Fanentanana Apostolika voalohany, nosoratan'ny Papa Léon XIV...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...