Alatsinainy 16 janoary 2023 — Herinandro Tsotra faharoa Mandavantaona — Taona tsy ankasa — Misaotra Anao Aho, ry Ray, Tompon’ny lanitra sy ny tany, fa nambaranao tamin’ny madinika ny tsiambaratelon’ny fanjakanao — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Marka 2, 18-22
Raha fintinina dia toa izao avy ireo zavatra nodinihina sy tinapaky ny Konsily lehibe samihafa. Ny tao Jerosalema moa (49/50) dia nandinika lalina ny amin’ny fanarahana ny Lalàn’ny Jody. Tapaka àry fa tsy voatery ho foraina hanaraka ny Lalàn’ny Jody ireo olona hafa firenena efa nibebaka, natao Batemy, ka tonga Kristianina. Ny tao Nisea I (325) kosa no namaritra ny amin’Ilay Teny Tonga Nofo, ary nambarany fa i Jesoa dia tena Zanak’Andriamanitra tokoa, iray fomba amin’ny Ray (Homousis), sady tena Andriamanitra marina, natao izany mba ho fanoherana ny Arianisma.
Mila fiomanana maharitra ny fidirana ho amin'ny fanambadiana kristiana mba hialàna amin'ny hevi-dravin'ny fitiavana sy ny filonana ao anatin'ny tokantrano imaso. Ny hoe "tokantrano imaso" dia ny hoe eo imason'ny fiaraha-monina dia mpivady fa tsy nanaraka ny fomba kristiana izany hoe tsy voatso-drano teo anatrehan'ny Fiangonana. Katesizy momba ny fianakaviana sy ny Sakramentan'ny Batemy, iarahana amin'i P. Rafaralahimboa Justolat.
Alahady 15 janoary 2023 — Alahady Tsotra faharoa Mandavantaona — Taona A — Tonga Nofo ny Teny, ka nonina taty amintsika, ary amin’ny alalany, dia tonga zanak’Andriamanitra izay rehetra mandray Azy — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Joany 1, 29-34
• Kristy, loharanon'ny fanantenana, ny fampihavanana ary ny fiadanana. Vinan'ny Fiangonana Fianakavian'Andriamanitra eto Afrika, ho an'ny 25 taona ho avy. Io no hafatra avy amin'ny Fihaonambe faha-20-n'ny Fivondronamben'y Eveka Katolika eto Afrika sy Madagasikara... • Tontosa ny 10 aogositra 2025 ny Eokaristia Masina, nametrahana an'i Mgr Marek Ochlak, teo amin'ny fiketrahana maha Evekan'ny Diosezin'i Fenoarivo Atsinanana azy... • Na aiza na aiza misy antsika, aza avela ho verivery foana ny fotoana ahafahana mitia. Io no fanentanana nataon'ny Papa Léon XIV, nandritra ny vavaka Angelus omaly...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco