Zoma 3 febroary 2023 — Herinandro Tsotra fahefatra Mandavantaona — Taona tsy ankasa — Ampianaro ahy, ry Tompo, ny soritrao; tariho amin’ny Fahamarinanao aho — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Marka (Mk. 6, 14-29)
♦ Telo volana tsy nandray vola ireo mpamatsy entana sy fitaovana ny minisitera sy ny sampan-draharaham-panjakana isan-tsokajiny. Nanao hetsika fanairana izy ireo androany, rehefa nilazana fa tsy misy vola ny fanjakana fa ny karaman'ny mpiasa no laharam-pahamehana... ♦ Mitaraina ireo mpitatitra entana amin'ny RN-6, fa misy fakana vola atao amin'ny mpamily fiarabe, vao afaka miampita ilay fivilian-dalana alohan'Antsohihy... ♦ Nitokona ireo mpianatra mipetraka eny amin'ny tranon'ny Oniversite eny Ankatso, noho ny fahatapahan'ny famatsian-drano amin'ny trano fonenana, efa dimy volana mahery izao...
♦ Manapa-kevitra arak'izay tiany amin'ny fitantanan-draharaham-panjakàna ny Filoham-pirenena hoy ny Ministra teo aloha ny jeneraly Tsaranazy Jean Emile. Tokony hajaina ny lalàna mifehy ny fitantanam-bolam-panjakàna manoloana ny hanajanonana ny fanaovana foto-drafitr'asa amin'ity taona ity... ♦ Manomana ireo ekipa mandrafitra azy hiatrika ny fanaraha-maso ny fifidianana amin'ity taona ity ny ivon-toerana SAFIDY. Manao ny atrik'asa fiofanana momba ny fifidianana tanterahana eto Antananarivo izy ireo... ♦ Hijoro afaka volana vitsy ny orinasa mpamokatra zezika NPK eto Madagasikara. Zezika 36.000 taonina isan-taona no hovokariny...
Ny faharerahan-tsaina dia miteraka famoizam-po. Ny famoizam-po mitondra ho any amin'ny famonoantena. Mba hisorohana zavatra maro dia ilàna fitandremana ny "faharerahan-tsaina". Fandaharana "Mba ho vanona" tontosaina eto amin'ny radio Don Bosco, iarahana amin'ny jeneraly Désiré Ramakavelo.
• Nanentana ny kristianina rehetra, hivavaka sy handini-tena, ny avy eo anivon'ny Fiombonan'ny Fiangonana Kristianina eto Madagasikara, tamin'ny hafatra navoakan'izy ireo ny zoma 26 septambra 2025... • Tontosa ny sabotsy 27 septambra 2025, ny famindrana ny taolambalon'i Mompera Vladimir, izay tany amin'ny Diosezin'i Toamasina, ho ao amin'ny fasan'ny Fikambanana ao Ambohidratrimo Antananarivo... • Notontosaina ny sabotsy 27 septambra 2025 ny fitsofan-drano ny fasana ary ny famindrana ireo pretra sy frefra miisa 13 efa nialoha lalana, teny amin'ny Monasitera Masina Maria Ambohimanjakarano Mahitsy...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco