Ny Batemy dia Sakramenta fandraisana an-tanana hamantatra sy hiditra lalindalina kokoa amin'ny misterin'Andriamanitra. Izay ilay hoe "initiation" hoy isika fa amin'ny ankapobeny, ny Batemy dia sokajiana ao anatin'ny Sakramenta firosoana ho kristiana. Ny rano izay isan'ny maha-Batemy ny Batemy no anisan'ny mahatonga azy hanome fiainana. Katesizy momba ny batemin'i Jesoa, iarahana amin'i P. Rafaralahomboa Justolat.

Alakamisy 24 nôvambra 2022 — Herinandro Tsotra fahefatra amby telopolo Mandavantaona — Miandrandrà, ka asandrato ny lohanareo; fa efa akaiky ny fanavotana anareo — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Lioka 21, 20-28

♦ Nampanantsoina teny amin'ny Pôlisy misahana ny raharaha ara-toekarena androany, ny Talen'ny Transparency International eto Madagasikara. Fampiantsoana namotoran'ny Pôlisy azy, tao aorian'ny fitoriana napetraky ny vondron'ireo mpandraharaha manondrana letsisia, na ny GEL... ♦ Nitsangana ny HIFFIM, Hetsika Iombonana ho an'ny Fanarenana sy Fanorenana Ifotony an'i Madagasikara. Miantso ny Malagasy hifanome tanana ao anatin'izao fahasahiranana izao, ireo mpikambana, androany...

♦Tsy tokony ahazo taratasy ara-dalàna ireo basy miditra antsokosoko eto Madagasikara, hoy ny sekreteram-panjakàna miadidy ny zandarimariam-pirenena. Tato anatin'ny enin-taona mantsy anarivony ny olona efa maty vokatr'izany... ♦ Mitaky ny hanakatonana vonjy maika ireo toeram-pitrandrahana harena an-kibon'ny tany any amin'ny distrikan'Ankazobe, ny solombavambahoaka voafidy any an-toerana, noho ny gaboraraka sy ny tsy fandriampahalemana aterak'izany... ♦ Sambo roa no mandray ny vokatra Letchis ho ahondrana any ivelany, ao amin'ny seranan-tsambon'i Toamasina. Letchis hatrany amin'ny 15.000 taonina no ho entin'izy ireo any Europa. Nisokatra omaly ny taom-pihotazana sy fanondranana...

[Miara-dàlana] Zoma 11 jolay 2025

• Notanterahana tao amin'ny Sanctuaire Lakroa Masina ao Łysa Góra ny alarobia 9 jolay 2025, ny fombam-pivavahana namindrana ny reliques an'ny Lakroa Masina, ho entin'i Mgr Marek Ochlak, Evekan'ny Diosezin'i Fenoarivo Atsinanana, ho aty Madagasikara... • Manentana antsika mianakavy hivavaka ho an'ny fianarana mandanjalanja ny Papa, ao anatin'ny Tambajotram-pivavahan'ny Papa maneran-tany, amin'ity vola jolay ity... • Mampirisika ny zokiolona ny Papa, mba hitahiry amim-pitokiana ao amin'ny Tompo ary hanaiky havaoziny isan'andro amin'ny fihaonana aminy, ao anatin'ny vavaka sy ny Sorona Masina. Ambarany izany ao anatin'ny hafatra ho an'ny Andro Maneran-tany faha-5 ho an'ny raibe sy ny renibe ary ny zokiolona...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...