♦ Entina aminao izao ny fehin-kevitra tamin'ny fivoriana ara-potoana nataon'ny Vaomieran'ny Eveka momba ny Rariny sy ny Fiadanana... ♦ Lany teny amin'ny Antenimieram-pirenena androany tolakandro ny volavolan-dalana mifehy ny fitantanam-bolam-panjakana ho an'ny taona 2023... ♦ 25 nôvambra 2022. Andro natokan'ny Firenena Mikambana, ho fanombohana ny Andro Iraisam-pirenena hiadiana sy hanafoanana ny herisetra mianjady amin'ny vehivavy...

♦ Manao antso avo amin'ny herivelona rehetra ny Vaomieran'ny Eveka momba ny Rariny sy Fiadanana, hampanjaka ny rariny sy ny fandriampahalemana ary ny fanajana ny zon'olombelona... ♦ Tsy fifanoherana ny fahasamaihafana fa kanto ho an'ny Eglizy, hoy i Mgr Marie Fabien Raharilamboniaina, Evekan'i Morondava... ♦ Fahatokiana sy fitiavana no hafatra nampitain'ny Papa François ho an'ireo mpandray anjara tamin'ny hetsika momba ny foto-pampianaran'ny Fiangonana momba ny fiaraha-monina sy ny sosialy tao Verone, Italie...

Novoizina nandritra ny taona maro teto Madagasikara ny zezika kankana. Zezika ahazoana vokatra ara-biolojia eo amin'ny fambolena. Isan'ny mampiasa io zezika io ny fikambanana Lanja Miakatra. Nizara fahalalana sy ny traik'efa momba izany ny mpanorina ny fikambanana Ranaivoarison Basile, Papa Bio.

♦ Tsy tokony hifampihantsy ny tsirairay manoloana ny fahantrana lalina misy ankehitriny. Io no anisan'ny hafatra nivoitra tamin'ny Kômity faha-44 an'ny FFKM, izay notanterahana tany Ambatondrazaka... ♦ Nankatoavina nandritra ny fivoriana an-tampony faha-19 an'ny CITES, ny fahafahan'i Madagasikara mampiasa eto an-tanindrazana, ireo hazo voamboana tsy ara-dalana nogiazana... ♦ Tafakatra ho 3 hatramin'ny 6 alina Ariary, ny fampitana baka ao Befasy ao amin'ny Lalampirenena faha-12A...

[Miara-dàlana] Zoma 11 jolay 2025

• Notanterahana tao amin'ny Sanctuaire Lakroa Masina ao Łysa Góra ny alarobia 9 jolay 2025, ny fombam-pivavahana namindrana ny reliques an'ny Lakroa Masina, ho entin'i Mgr Marek Ochlak, Evekan'ny Diosezin'i Fenoarivo Atsinanana, ho aty Madagasikara... • Manentana antsika mianakavy hivavaka ho an'ny fianarana mandanjalanja ny Papa, ao anatin'ny Tambajotram-pivavahan'ny Papa maneran-tany, amin'ity vola jolay ity... • Mampirisika ny zokiolona ny Papa, mba hitahiry amim-pitokiana ao amin'ny Tompo ary hanaiky havaoziny isan'andro amin'ny fihaonana aminy, ao anatin'ny vavaka sy ny Sorona Masina. Ambarany izany ao anatin'ny hafatra ho an'ny Andro Maneran-tany faha-5 ho an'ny raibe sy ny renibe ary ny zokiolona...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...