Notendren’ny Papa François ho Evekan’ny Diôsezin’i Mahajanga i Mgr Zygmunt Robaszkiewicz, pretran’ny Fikambanana Missionnaires de la Sainte Famille, Eveka nitantana ny Diôsezin’i Morombe.
♦ Tokony atsangana amin'izay ny rafitra voalaza ao amin'ny Lalam-panorenana, mbola tsy mijoro hatramin'izao hoy ny firaisamonim-pirenena. Lesoka mampandringa ny fampandrosoana eto Madagasikara ny tsy fitsanganan'ny filan-kevitra momba ny toe-karena, ny sôsialy ary ny kolontsaina... ♦ Mamporisika ny tanora hirotsaka amin'ny sehatr'asa fambolena sy ny fiompiana ny mpikarakara ilay fikaoanan-doham-pirenena ho an'ny mpandraharaha andiany fahaefatra tanterahana eny Anataninarenina... ♦ Nitsidika ireo orinasa mpikirakira sy mpanondrana Letsia any Toamasina ny ministra Edgard Razafindravahy. Hisokatra amin'ny talata izao ny taom-piotazana. Noferana ho 1300 Ariary/kg ny vidiny farany ambany...
19 nôvambra — Niaina tamin'ny taonjato fahenina i Tanguy. Voalaza fa ny taona 594 izy no nodimandry. Zanaka tompomenakely tamin'ny andron'ny mpanjaka Childebert I izy. Galonus de Trémazan no rainy, ary nanambady fanindroany io rainy io ka ny renikeliny no nitaiza azy mianadahy. I Haude no anaran'io anabaviny io.
Tsy misy na dia iray aza amin'ny fampianaran'ny Evanjely ka mampianatra na mandrisika antsika hanao ratsy. Matetika dia ny lalan'ny fitiavana sy ny fanetre-tena no atoron'i Kristy ho an'izay te hanaraka azy. Fianakaviana lavorary izay fianakaviana mahay mifampitondra eo amin'Andriamanitra, noho izany dia tsy maintsy mijoro ho fakan-tahaka ny ray aman-dreny. Katesizy momba ny lalam-pahafahana, iarahana amin'i P. Randriamampandry Wagner.
• Mila mpitondra hafatra ho an'ny fanantenana izao tontolo izao, hoy ny Ray masina, tamin'ny fanokafana ny Jobilin'ny Tanora ny 29 jolay 2025... • Nosokafana androany maraina, tao amin'ny Distrikan'i Mahitsy, ny Jobilin'ny Tanora sy Andron'ny Tanora eto amin'ny Diosezin'Antananarivo... • Nankalaza ny Taon-jobily ihany koa ny tao amin'ny Diosezin'i Port-Bergé, ny Tanora tao amin'ny Faritra Androna...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco