Taorian'ny nitsangan'i Jesoa tamin'ny maty dia niavaka ny fisian'i Masina Maria ho an'ny Eglizy sy ny Kristiana, Izy ilay Reny Masina mitondra ny hafatr'Andriamanitra amin'ny alalan'ireo fisehoana. I Masina Maria dia môdely amin'ny fahamasinana, misongadina amin'ny hatsaram-panahy, sy ny fanoloran-tena. Masina Maria dia tandindon'ny vehivavy izay tsy very anjara amin'ny fanompoana sy fitoriana ny vaovao mahafaly... Katesizy momba an'i Masina Maria Virijiny, Renin'Andriamanitra, iarahana amin'i P. Hervé Solofoarimanana.
• Miteraka faharatsian'ny kalitaon'ny fanabeazana ny fisian'ny kolikoly eo amin'io sehatra ireo io, hoy ny Transparency International Initiative Madagascar. Tsy sahy mitaraina na mitoroka anefa ny 80 %-n'ny olona niharany, nanaovana fanadihadiana... • Nisy akony tamin'ny fanjifan'ny Malagasy fiara ny valan'aretina Covid teto amintsika. Nidina hatrany amin'ny 30 % izany, hoy ny vondron'ny mpandraharaha misehatra amin'ny fanafarana fiara efa niasa avy any ivelany na ny GIVEOM... • Hatsangana ho dina ao amin'ny Kaominina Ambanivohitra Ankilimaliniky, Distrikan'i Toliara Faharoa, ny andrimasom-pokonolona Voromahery. Nahatsapa fitoniana ny mponina hatramin'ny nananganana sy nisian'izy io, hoy ireo olom-boafidy sy olobe ao an-tanana...
♦ Miisa 9 ireo filoham-panjakàna sy lehiben'ny governemanta andrasana ho tonga eto Madagasikara hiatrika ny fihaonana an-tampon'ny SADC andiany faha-45... ♦ Mampanahy raha hilatsaka ho an'ny firenena sy ny Malagasy iray manontolo ny sazy noho ny tsy fahaiza-mitantan'ny mpitondra ankehitriny hoy ny filoha teo aloha Marc Ravalomanana... ♦ Tsy hampiova ny vidin'entana amin'ny ankapobeny ny fiovaovan'ny vidin-tsolika misy eto Madagasikara hoy ny Profesora Ralison Roger... ♦ Mandrahona ny mpitondra any Inde amin'ny hampiakarana ny haban-tseranana indray ny filoha amerikana Donald Trump...
♦ Nitondra fanazavana momba ny fahatongavan'ny FBI hanao fanadihadiana momba ireo Boeing 777 ny Praiministra Ntsay Christian... ♦ Mila manao dingana misimisy kokoa i Madagasikara raha te hisitraka tombontsoa ao anatin'ny SADC hoy ny mpahay toe-karena sy fitantanana Profesora Ralison Roger... ♦ Namafisin'ny federasionina Malagasy ny taranja Echecs fa tsy fanarahan-dalàna no antony nampiatoana tamin'ny asany ny filohan'ny ligy eto Analamanga... ♦ Manomboka maneho hevitra manohitra ny dingana ataon'ny praiministra israelianina ireo tompon'andraikitra ambony teo aloha any Israely...
• Miorina amin'ny fanantenana hadio toa an'i Kristy. Io no teny hifanentanan'ireo Fanilon'i Madagasikara manatanteraka Lasy Nasionaly, nanomboka ny 18 hatramin'ny 23 aogositra 2025... • Tanora, mpivahiny masina miisa 869 no nahatanteraka ny Andron'ny Tanora ho an'ny Diosezin'i Mahajanga, tamin'iny herinandro lasa teo iny... • Notanterahana tao amin'ny Diosezin'Ambanja ny Fivahinianana Masina andiany faha-2 ho an'ny Vondrona Iniasianina...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco