Zoma 11 nôvambra 2022 — Herinandro Tsotra faharoa amby telopolo Mandavantaona — Mahatoky amin’ny teniny rehetra ny Tompo, ary tsara fa amin’ny asany rehetra — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Lioka 17, 26-37

♦ Mbola tsy misy daty raikitra hatramin'izao ny dinika faharoa momba ny "Iles Éparses". Ny fiovam-pitantanana teo anivon'ny Minisiteran'ny Raharaham-bahiny Malagasy, no anisan'ny antony mbola tsy naharaikitra izany... ♦ Olona maherin'ny 30000 no tratran'ny kere any amin'ny Distrikan'i Manakara, raha ny tatitry ny Solombavam-bahoaka avy any an-toerana. Tsy nisy ny vokatry ny tantsaha, noho ny fandalovan'ny rivodoza sy ny hain-tany... ♦ Hampiantrano ny fifaninana iraisam-pirenena eo amin'ny taranja Hand-ball "UHF-Trophy" i Madagasikara ny 24 hatramin'ny 27 nôvambra 2022...

♦ Manoloana ny hirosoana amin'ny fifampidinihana amin'i LaFrantsa, mikasika ireo nosy manodidina, miantso ny firaisan-kinan'ny Malagassy tsy vaky-volo ny antoko AKFM na misy aza ny tsy fitoviam-pijery mba hamerenana izany amintsika... ♦ Horafetina ny tetikasa ho an'ny tanora aty amin'ny ranomasimbe Indiana, mba hampivoarana azy ireo amin'ny fandraisana fanapahan-kevitra, eo amin'ny lafiny pôlitika, toe-karena ary sôsialy... ♦ Heverina ho vita amin'ny faran'ity volana ity ny pitsopitsony ahafahantsika misitraka ny famatsiam-bola avy amin'ny Banky iraisam-pirenena, ho an'ireo fianakaviana marefo noho ny fiakaran'ny vidim-piainana sy vokatry ny hain-tany teto Madagasikara...

Ho an'ny mpianakavy dia ilaina ny fifanampiana. Ny fifanampiana dia mampifanakaiky am-po ary manamafy ny fifankatiavana eo amin'ny ankohonana. Ny fifanampiana dia mampisy rafi-tsaina, izay mahatonga olona iray ho tompon'andraikitra, ho afaka hampiasa fahefana anaty. Fandaharana "mba ho vanona" iarahana amin'i jeneraly Ramakavelo Désiré.

Miara-dàlana] Alatsianiny 29 septambra 2025

• Nanentana ny kristianina rehetra, hivavaka sy handini-tena, ny avy eo anivon'ny Fiombonan'ny Fiangonana Kristianina eto Madagasikara, tamin'ny hafatra navoakan'izy ireo ny zoma 26 septambra 2025... • Tontosa ny sabotsy 27 septambra 2025, ny famindrana ny taolambalon'i Mompera Vladimir, izay tany amin'ny Diosezin'i Toamasina, ho ao amin'ny fasan'ny Fikambanana ao Ambohidratrimo Antananarivo... • Notontosaina ny sabotsy 27 septambra 2025 ny fitsofan-drano ny fasana ary ny famindrana ireo pretra sy frefra miisa 13 efa nialoha lalana, teny amin'ny Monasitera Masina Maria Ambohimanjakarano Mahitsy...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...