Tsy azo tsinontsinoavina ny anjara biriky entin'ny fampiasana fitaovana nohatsaraina mifanaraka amin'ny filan'ny tantsaha ary mifanaraka ihany koa amin'ny fivoaran'ny teknika misy ankehitriny. Hirika mampitombo sy manatsara ny kalitaon'ny vokatra amin'ny fambolena... Dingana sy ezaka maro anefa no nolalovan'ny Malagasy mamokatra ireny fitaovana ireny.

♦ Niharan'ny fanendahana teny Ambohitsaratelo androany maraina, ny mpianaka mpanao Cash Point. Maty ilay raim-pianakaviana, naratra mafy kosa ny zanany vavy... ♦ Misy fandikan-dalana ny fifanarahana nataon'ny CENI sy ny FIV.MPA.MA, ao anatin'ny fanavaozana tanteraka ny lisitry ny mpifidy, hoy ny antoko Malagasy Miara-Miainga na MMM... ♦ Tsy misy antony avy amin'ny fitondram-panjakana malagasy ny fihemoran'ny dinika momba ny Nosy malagasy, iarahan'ny eo amin'ny Vaomiera Iombonana ahitana delegasiona malagasy sy frantsay, hoy ny mpitondra tenin'ny governemanta...

Mivavaka ho an'ny fanahin'ireo nodimandry ao amin'ny afo fandiovana isika mba hitalahoana ny famindram-pon'Andriamanitra ho an'ny fanahin'izy ireo. Mba hahafahana manana ny fahamasinana ilaina idirana any amin'ny fiainana mandrakizay, ireo nodimandry ao amin'Andriamanitra dia mandalo ao amin'ny afo fandiovana, dingana hanafahana azy ireo tanteraka amin'ny fahotana. Fandalinam-pinoana momba ny afo fandiovana irahana amin'i P. Rakotondramanana Soloniaina Jean Émilien

♦ Mitentina 924 tapitrisa dolara ny tetibidin'ilay lalambe mikodana hampitohy an'Antananarivo sy Toamasina, izay heverina ho vita ao anatin'ny efa-taona... ♦ Manao ady sisika amin'ny tokony hampiakarana ny tetibola iasan'ny Minisiteran'ny Tontolo iainana sy ny Fandrosoana lovainjafy, ireo fiarahamonim-pirenena... ♦ Manimba ny asa fanaovan-gazety, ary manapotika ny fiaraha-monina ny fitobahan'ny vaovao tsy marina, na eo anivon'ny haino vaky jery na ny tambazotran-tserasera...

Miara-dàlana] Alatsianiny 29 septambra 2025

• Nanentana ny kristianina rehetra, hivavaka sy handini-tena, ny avy eo anivon'ny Fiombonan'ny Fiangonana Kristianina eto Madagasikara, tamin'ny hafatra navoakan'izy ireo ny zoma 26 septambra 2025... • Tontosa ny sabotsy 27 septambra 2025, ny famindrana ny taolambalon'i Mompera Vladimir, izay tany amin'ny Diosezin'i Toamasina, ho ao amin'ny fasan'ny Fikambanana ao Ambohidratrimo Antananarivo... • Notontosaina ny sabotsy 27 septambra 2025 ny fitsofan-drano ny fasana ary ny famindrana ireo pretra sy frefra miisa 13 efa nialoha lalana, teny amin'ny Monasitera Masina Maria Ambohimanjakarano Mahitsy...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...