♦ Asa no atao fa tsy fampanantenana, hoy ny Filoham-pirenena androany, raha nampahafantatra ny voarakitry ny Planina Enti-mampandroso an'i Madagasikara na ny PEM, tetsy amin'ny CCI Ivato. Tetikasa maro no nambarany fa hatomboka amin'ity taona ity sy amin'ny 2023... ♦ Tsy ao anatin'ny atonta eny amin'ny trano pirinty tsy miankina ny taratasim-panjakana fanaovana karapanondrom-pirenena, hoy ny Minisitry ny Atitany... ♦ Tsy misy mpividy ny lavanila na efa nisokatra ny 7 ôktôbra aza ny taom-piotazana, hoy ny Solombavam-bahoaka Rolland Ratsiraka, androany...
♦ Hifantoka amin'ny akon'ny Visite Ad Limina, izay notanterahan'ny Evekan'i Madagasikara any Rôma, ny vaovao... ♦ Singa iray ilaina amin'ny fandanjalanjana, ny fangetanana, hoy ny Papa François, tamin'ny katesizy andiany fahafito, momba ny fandanjalanjana tamin'ny alarobia lasa teo... ♦ Mahatratra 5363 ny isan'ny Eveka maneran-tany, araka ny fanisana nataon'ny Agence Fides, tamin'ny fankalazana ny Andro Maneran-tany ho an'ny Fampielezam-pinoana, ny 23 ôktôbra 2022...
Nampihatra fomba fambolena voatabia nohatsaraina, ahazoana vokatra haingana ao anatin'ny fotoana fohy ary mandava-taona, mampihena ny vola mivoaka amin'ny fividianana masomboly ny fikambanana Lanja Miakatra...
♦ Tao aorian'ny resabe momba ny "doublons", ifanilihan'ny CENI sy ny Ministeran'ny Atitany sy Fitsinjaram-pahefana indray, ny antontan'isa 3 tapitrisa voalaza fa vinavinaina hampidirina ao anatin'ny lisitry ny mpifidy... ♦ Antontataratasy fangatahana asa manodidina ny 300 isa, miaraka amin'ny taratasy tsiambaratelo maromaro, no narian'ny Colas tao amin'ny dabam-pako tao Ampotatra. Lasibatra amini'zany ireo mpitady asa amin'ny fanamboarana ny Lalam-pirenena faha-13... ♦ Raha tsy misy ny fiovana dia handalo fankatoavana eny amin'ny Antenimieram-pirenena anio, ny volavolan-dalana momba ny fanabeazana...
• Nanentana ny kristianina rehetra, hivavaka sy handini-tena, ny avy eo anivon'ny Fiombonan'ny Fiangonana Kristianina eto Madagasikara, tamin'ny hafatra navoakan'izy ireo ny zoma 26 septambra 2025... • Tontosa ny sabotsy 27 septambra 2025, ny famindrana ny taolambalon'i Mompera Vladimir, izay tany amin'ny Diosezin'i Toamasina, ho ao amin'ny fasan'ny Fikambanana ao Ambohidratrimo Antananarivo... • Notontosaina ny sabotsy 27 septambra 2025 ny fitsofan-drano ny fasana ary ny famindrana ireo pretra sy frefra miisa 13 efa nialoha lalana, teny amin'ny Monasitera Masina Maria Ambohimanjakarano Mahitsy...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco