♦ Nihaona tamin'ny Papa François, ireo Evekan'i Madagasikara. Fihaonana izay ivon'ny Visite Ad Limina ataon'izy ireo any Rôma... ♦ Hanomboka anio etsy amin'ny CCI Ivato ny fihaonambem-pirenena momba ny fampiasam-bola ho fanandratana an'i Madagasikara... ♦ Very fanahy mbola velona noho ny tsy fandriam-pahalemana sy ny halatra omby ireo mponina any Menabe...
Ny ankohonana, ny fianakaviana dia anisan'ny fototra iorenan'ny Fiangonana. Mitana anjara toerana lehibe ny tsirairay ao anatin'izany fianakaviana izany. Natao hifanampy amin'ny fampandrosoana ny fiangonana miaraka amin'ireo mpisoron'ny Avo Indrindra ny ankohonana, izay no mahatonga ny Fiangonana ho fianakaviana natambatry ny finoana, ary anisan'ny mpitory ny Evanjely sy mpanitatra ny fanjakan'Andriamanitra amin'ny alalan'ny asa sahanin'ny tsirairay, ny fanehoana amin'ny andavanandrom-piainana ny fitiavana, ny fifanasoavana eo amin'ny mpiara-belona. Izany no mirindra dia ny fahaizana miara-dalana amin'i Jesoa, ny fiainana sy famakiana ny teniny isan'andro amin'ny alalan'ny Baiboly.
28 ôktôbra — Ankalazaina miaraka ny fetin'ireto Apôstôly ireto noho izy ireo niara-niasa tamin'ny fampibebahana ireo jentily. Avy any Canaan i Simon ary nomena anaram-bositra hoe "cananéen" mba hanavahana azy amin'i Simon Pierre. I Jude indray dia rahalahin'i Jacques sy i Siméon, ilay eveka tao Jerosalema.
Ireo fepetra hanampy antsika hahalala fa avy amin'Andriamanitra ny fanahy manosika antsika : Fitiavana, hafaliana, fiadanana, faharetana, hamoram-panahy, hazavam-po, tsy fivadihana, fahalalana onona. Mikatsaka hatrany ny fiombonana ao amin'ny Fiangonana. Manaiky an'i Kristy amim-pinoana sy amim-pitiavana ary mampiely ny fiandrianany. Katesizy momba ny fanomezam-pahasoavana fahaizana mandanjalanja, iarahana amin'i P. Hermann Solonomenjanahary.
• Nanentana ny kristianina rehetra, hivavaka sy handini-tena, ny avy eo anivon'ny Fiombonan'ny Fiangonana Kristianina eto Madagasikara, tamin'ny hafatra navoakan'izy ireo ny zoma 26 septambra 2025... • Tontosa ny sabotsy 27 septambra 2025, ny famindrana ny taolambalon'i Mompera Vladimir, izay tany amin'ny Diosezin'i Toamasina, ho ao amin'ny fasan'ny Fikambanana ao Ambohidratrimo Antananarivo... • Notontosaina ny sabotsy 27 septambra 2025 ny fitsofan-drano ny fasana ary ny famindrana ireo pretra sy frefra miisa 13 efa nialoha lalana, teny amin'ny Monasitera Masina Maria Ambohimanjakarano Mahitsy...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco