♦ Fifandonan'ny mpitandro ny filaminana sy ny andian'olona tany Ikongo omaly : tafakatra ho 21 ny isan'ny maty, 24 ireo naratra, araka ny tatitra nivoaka androany. Nidina ifotony namangy ireo maratra sy ny fianakavian'ny maty ny iraky ny fitondram-panjakana... ♦ Natomboka androany teny Alarobia ny atrikasa fampahafantarana ny drafitr'asa mandritra ny fe-potoam-piasan'ny CENI, sy ny fomba hanatanterahana ny fanavaozana ny lisitry ny mpifidy... ♦ Nampahafantarina teny amin'ny Carlton Anosy, ny vokatra ôfisialin'ny fanadihadiana momba ny mponina sy ny fahasalamana na ny EDS andiany fahadimy...
♦ Efa an-dalana mihazo an'Antsirabe ny ankamaroan'ireo mpizaika hiatrika ny JMJ nanomboka ny maraina teo. Any Ihazolava no tanterahina ny antoandro ny Lamesa fanirahana ireo tanora hiatrika izany, ho an'ny Diôsezin'Antananarivo... ♦ Nitsoaka avokoa ireo zandary, miaraka amin'ny vady aman-janany, taorian'ilay fitifirana niseho omaly tany Ikongo. Nirifatra koa ireo mpiandry fonja ka gadra 200 no tafatsoaka ny maraina teo... ♦ Hiantohan'ny kaominina Antananarivo ny kojakoja rehetra ilaina amin'ny fanorenana ireo trano fivarotam-boky teny Ambohijatovo. Nifandinika tamin'ireo mpivarotra niharam-boina ny kaominina Antananarivo...
♦ Hanomboka anio maraina any Antsirabe ny fandraisana ireo tanora mpizaika isan-diôsezy hanatrika ny JMJ any an-toerana. Efa an'arivony amin'izy ireo no efa tonga any an-toerana, nanomboka omaly... ♦ Olona 11 isa farafahakeliny no maty, 20 isa any ho any no naratra, vokatry ny fifandonana teo amin'ny mpitandro ny filaminana sy ny fokonolona, izay nitaky fitsaram-bahoaka... ♦ Hanao diabe ao an-drenivohitra anio ireo mpitondra taxi, ho fanoherana ny hiasàan'ny taxi-moto. Nilaza ny hanao ny hetsika izy ireo, na nahazo alalana na tsia avy amin'ny Préfet- an'ny Polisy... ♦ Atahorana hitera-doza mafy any Ukraine ilay toby famokarana angovo nokleary any Zaporijia. Handefa teknisiana hijery izany ny AIEA amin'ity herinandro ity...
30 aogositra — Zanaky ny mpanjaka tao Irlande i Fiacre, niaina tamin’ny toanjato fahenina sy fahafito izy, nobeazina tamin’ny fahalalana sy fitiavam-bavaka. Mbola tanora izy dia efa niredareda tao aminy ny fitiavana te hanirery sy ny faniriana hiaina ho an’Andriamanitra irery ihany.
• Omena anjara toerana ao amin'ny Jobilin'ny Olom-boatokana ny fampahafantarana ireo Olontsambatra sy Olomasina Malagasy... • Fivahinianana masina eny amin'ny Katedraly Andohalo no hanamarihan'ny Vehivavy Misionera Katolika eto Antananarivo ny fankalazana ny taon-jobily... • Nankahery ireo relijiozy vavy, hanavao ny fitiavany an'Andriamanitra, ny Papa Léon XIV tamin'ny fihaonany tamin'izy ireo ny alatsinainy 30 jona 2025...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco