♦ Nizotra am-pilaminana ny hetsika filaharana an-dalambe notarihan'i vadin'i Mahery Lanto Manandafy tao an-drenivohitra ny faran'ny herinandro teo. Mbola hanohy ny hetsika ny any Fianarantsoa... ♦ Tafita any amin'ny dingana manaraka afaka hiady ny amboaran'i Afrika amin'ny taona 2023 ny Maki-vehivavy. Resin'izy ireo ny ekipam-pirenena tonizianina ny faran'ny herinandro teo... ♦ Baolina kitra, resin'i Gabon tetsy Mahamasina tamin'ny isa iray noho aotra ny Barea latsaky ny 23 taona... ♦ Any Chine, voafidy ho mpitarika ny antoko kaominista ary hitondra ny tany sy ny fanjakàna fan-telony indray ny filoha sinoa Xi Jiping...
24 ôktôbra — I Antoine-Marie Claret dia teraka ny 23 desambra 1807 tao Sallent, diôsezin'i Vic ao Catalogne. Zaza fahadimy amin'ny zaza iraika ambin'ny folo izy. Mpanenona no asan'i Jean Claret, rainy ary i Joséphine no anaran-dreniny.
Ny hoe "mandanjalanja" dia avy amin'ny teny latinina, midika hoe manavaka mba hampiseho bebekokoa ny endrika maha-izy azy ny zavatra iray, na hevitra tian'olona iray hambara. Raha ny maha-kristiana dia fikatsahana ny hahafantatra ny sitrapon'Andriamanitra hahafahana hisafidy ny hanatanteraka an'izany eo amin'ny fiainana ny fandanjalanjana. Katesizy momba ny fanomezam-pahasoavana fahaizana mandanjalanja, iarahana amin'i P. Hermann Solonomenjanahary.
Alatsinainy 24 ôktôbra 2022 — Herinandro Tsotra fahatelopolo Mandavantaona — Ankalazao ny Tompo, ry Jerosalema, Izy Ilay mandefa ny didiny eto an-tany — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Lioka 13, 10-17
• Nanentana ny kristianina rehetra, hivavaka sy handini-tena, ny avy eo anivon'ny Fiombonan'ny Fiangonana Kristianina eto Madagasikara, tamin'ny hafatra navoakan'izy ireo ny zoma 26 septambra 2025... • Tontosa ny sabotsy 27 septambra 2025, ny famindrana ny taolambalon'i Mompera Vladimir, izay tany amin'ny Diosezin'i Toamasina, ho ao amin'ny fasan'ny Fikambanana ao Ambohidratrimo Antananarivo... • Notontosaina ny sabotsy 27 septambra 2025 ny fitsofan-drano ny fasana ary ny famindrana ireo pretra sy frefra miisa 13 efa nialoha lalana, teny amin'ny Monasitera Masina Maria Ambohimanjakarano Mahitsy...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco