♦ Tafiakatra 16 isa ireo olona namoy ny ainy tamin'ilay lozam-pifamoivoizana an-dranomamy, nisehto tany Antsohihy tamin'ny alahady alina. Tratra tany Analalava ilay botry nandona azy ireo, ka hirosoana ny fanadihadiana... ♦ Nankatoavin'ny tahirim-bola iraisam-pirenena na ny FMI ny famoahana ny ampahany faharoa amin'ny FEC ho an'i Madagasikara. Fanampiana avy amin'ny FMI izy io zay mitentina 31,9 tapitrisa dolara... ♦ Hampivoitra ny ezaka ataony, hanatratrarana ny fahavitan-tena ara-tsakafo mandritra ilay hetsika ara-toekarena, Foara iraisam-pirenena ho an'ny fambolena hanomboka ny 22 septambra 2022 izao, ny ministeran'ny Fambolena sy ny Fiompiana...
14 septambra — Tsaroatsika tsara fa tamin’ny 18 aogositra i Masimbavy Hélène, ilay renin’ny amperora Constantin no nahita ny hazo nifantsiahan’i Jesoa. Tamin’ny taona 335 dia nasain’i amperora Constantin ireo pretra nivory tao Tyr tamin’ny fitokanana ny bazilika roa tao Jerosalema ny 13 septambra, ho fankalazana ny faha-30 toana ny nahatongavany.
Tia mandinika sy miady hevitra ny lehilahy , na mbola kely na efa vory saina dia efa hita fa miaraka amin'ny vondron-jazalahy mitovitovy taona aminy, miara-milalao baolina, na miady hevitra rehefa milalao. Matetika ao anatin'izany no samy te hametraka ny heviny ho marina sy tsy tokony ho lavina avokoa. Manaiky koa anefa izy fa ao anatin'izany vondrona misy azy izany no hametrahany izay lehiben'izy ireo. katesizy momba ny fianakaviana, iarahana amin'i P. Randriamanamahenina Robert Maria.
Alarobia 14 septambra 2022 — Ny nanandratana ny Hazofijaliana Masina — Mitsaoka Anao sy misaotra Anao izahay, ry Kristy, satria tamin’ny Hazofijaliana no nanavotanao izao tontolo izao — Evanjely Masina nsoratan'i Masindahy Joany 3, 13-17
• Notontosaina omaly ny fanaovam-beloma farany an'i Mompera Rakotosamimanana Nicolas, pretran'ny Diosezin'i Mahajanga, nodimandry teo amin'ny faha-58 taonany... •“Discernement spirituel pour le développement intégral”, izay no lohahevitra nanamarihana ny “Journée des Cadres Chrétiens”, teto amin'ny Diosezin'Antananarivo... • Fanentanana ny kristianina hiaro, hizara ary hiaina ny finoana, no nataon'i Mgr Jean de Dieu Raoelison, nandritra ny fankalazana ny ivon'ny faha-100 taonan'ny EKAR Masindahy François Xavier Antanimena...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco