20 ôktôbra — Niaina tamin'ny taonjato fahafito i Irène de Tomar na Irène du Portugal. Teraka tao Tomar tao Portugal izy ary kristianina mafana fo ny ray aman-dreniny. Nankinina tamin'ireo nenitoany, relijiozy, ny fanabeazana azy, dia i Julie sy i Chaste izany.

Ny kolontsaina sy fomba jody no netin'i Jesoa Kristy nampianatra sy nitory ny fanjakan'Andriamanitra, hany ka azon'izay nifanerasera taminy ny tiany hambara. Tsy nisekoseko hoe "izaho zanak'Andriamanitra" i Jesoa fa niaina ny fiainan'ny olombelona. Ilaina ny fameloma-maso ny faritra niaviana sy ny kolontsaina mba ho evanjely velona no sady mamelona. Katesizy momba ny Evanjely velon'ny fiainana ny fianakaviana, iarahana amin'i P. Bertrand Ratovoalinirina.

Alakamisy 20 ôktôbra 2022 — Herinandro Tsotra fahasivy amby roapolo Mandavantaona — Mahatoky ny lahatrao, ry Tompo, ary mafy orina mandrakizay alaovalo — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Lioka 12, 49-53

♦ Hisy manomboka izao ny fiandrasan-draharaha eo anivon'ny Fitsarana Ambaratonga Voalohany eto Antananarivo. Tsy maintsy irosoana ny fitsarana manokana manoloana ireo raharaha tsy azo hialana noho ny hamehana... ♦ Miandrandra olona mahay sy mahafehy ny diplômasia sy ny fifandraisana iraisam-pirenena, ny Sendikan'ny mpiasan'ny Minisiteran'ny Raharaham-bahiny Malagasy... ♦ Mihorohoro ny mpiray tanana any amin'ny Fokontany Ambalanomby, Kaominina Morondava, vokatry ny fandrahonana nataon'ny jiolahy tafatsoaka tao amin'ny hôpitaly nitsaboana azy...

Miara-dàlana] Alatsianiny 29 septambra 2025

• Nanentana ny kristianina rehetra, hivavaka sy handini-tena, ny avy eo anivon'ny Fiombonan'ny Fiangonana Kristianina eto Madagasikara, tamin'ny hafatra navoakan'izy ireo ny zoma 26 septambra 2025... • Tontosa ny sabotsy 27 septambra 2025, ny famindrana ny taolambalon'i Mompera Vladimir, izay tany amin'ny Diosezin'i Toamasina, ho ao amin'ny fasan'ny Fikambanana ao Ambohidratrimo Antananarivo... • Notontosaina ny sabotsy 27 septambra 2025 ny fitsofan-drano ny fasana ary ny famindrana ireo pretra sy frefra miisa 13 efa nialoha lalana, teny amin'ny Monasitera Masina Maria Ambohimanjakarano Mahitsy...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...