19 aogositra — Teraka tamin’ny 14 novambra 1601 tao amin’ny tanana kelin’i Ri i Jean Eudes. Lahy matoa amin’ny zaza enina nateraky ny ray aman-dreniny izy. Mpandalina tantara tao Mézeray ny rahalahiny.
Tsy tonga ho azy ny fahamasinana sy ny fahalavorariana fa tsy maintsy misy ezaka, avy amin'ny tsirairay amin'ny "fitiavam-bavaka", amin'ny "fitiavana an'Andriamanitra sy ny namana. Izay no mamaritra ny lalana hahatongavana amin'io antso io. Katesizy momba ny antso, iarahana amin'i P. Wagner Randriamampandry.
Zoma 19 aogositra 2022 — Herinandro faharoapolo mandavantaona — Izay mitandrina ny didin’i Kristy no manana ny fitiavana an’Andriamanitra Lavorary ao aminy tokoa — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Matio 22, 34-40
♦ Mpiasan'ny UNESCO tany an-dafy fa tsy olona eto Madagasikara no naka, ka niparitahan'ilay sary misy ny "étiquette"-n'ny valizin'ny Filoham-pirenena, nandritra ny diany tany ivelany. Nanazava ny momba ity raharaha ity androany, ny Talen'ny kabinetran'ny Fiadidiana ny Repoblika... ♦ Mbola manamafy ny antsony hisian'ny dinika eo amin'ireo mpisehatra pôlitika, ny Masoivohon'ny Vondrona Eorôpeanina eto amintsika. Nambarany fa zava-dehibe ny mifampiresaka, mialohan'ny fifidianana amin'ny taona 2023... ♦ Handray fepetra hisorohana ny tsy fitovian-kevitra miainga amin'ny firafitry ny lisitry ny mpifidy ny CENI...
• Notanterahana ny 21 sy 22 jona 2025 ny hetsika entina hanohanana ny Seminera Zandriny, tao amin'ny Diosezin'Antsirabe, sady nankalazana ny fetin'ny Sakramenta Masina... • Katesista miisa 11 no nahavita fiofanana nandritra ny folo volana ka navoaka tamin'ny fomba ofisialy ny 24 jona 2025, tao amin'ny Diosezin'i Farafangana... • Nataon'Andriamanitra ho vatofehizoro ny vato nolavina, hoy ny Papa Léon XIV, nandritra ny vavaka Angelus omaly alahady, nankalazana ny fetin'i Masindahy Piera sy i Paoly...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco