12 ôktôbra — Marihana ety am-piandohana aloha fa ny datin'ny 02 ôktôbra no nahafatesan'i mompera Jan Beyzym, izany hoe io no daty nahaterahany any an-danitra. Ny datin'ny 02 ôktôbra moa efa lasa, fa misy ihany koa ireo tetiandro izay milaza fa ny 12 ôktôbra no ahatsiarovana azy, eo ireo milaza fa ny 18 aogositra.
Ny tsy fananana fahaleovantena eo anatrehan'ny ray aman-dreny dia mitarika fiankinandoha izany hoe tsy zatra mandray andraikitra sy mitrosa matetika. Mila mihezaka mampivelatra ny sehatra fiariana izay hanorina tokan-trano. Ny olana dia mila hatrehina satria ny olana dia natao ho vahana fa tsy handosirana. Iainana ilay teny nifanomezana : "na inona hidona na inona hiatra..." Katesizy momba ny asa fivelomana andavanandro, iarahana amin'i P. Bertrand Ratovoalinirina.
Alarobia 12 ôktôbra 2022 — Jan Beyzym, Olontsambatra — Ampianaro ahy, ry Tompo, ny lalanao, ary tariho ho amin’ny lala-mahitsy aho — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Marka 1, 40-45
♦ Mbola nisy faritra arovana nahitana firehetana indray androany. Efa nisy koa ireo olona mpandoro tanindrazana tra-tehaka tany Manatantely... ♦ Tsy nahafapo ireo mpiraki-draharaha indray ny fihaonana niarahany tamin'ny tompon'andraikitra teo anivon'ny Fiadidiana ny Repoblika, androany. Milaza ny hanohy hatrany ny fitokonana izy ireo... ♦ Antoka iray tena hisian'ny fitsinjaram-pahefana marina kosa ny fanomezana sy ny fizarana ara-drariny ho an'ny kaominina sy ny faritra, ny anjarany amin'ny tamberin-ketra azo amin'ny fitrandrahana misy any aminy...
• Nanentana ny kristianina rehetra, hivavaka sy handini-tena, ny avy eo anivon'ny Fiombonan'ny Fiangonana Kristianina eto Madagasikara, tamin'ny hafatra navoakan'izy ireo ny zoma 26 septambra 2025... • Tontosa ny sabotsy 27 septambra 2025, ny famindrana ny taolambalon'i Mompera Vladimir, izay tany amin'ny Diosezin'i Toamasina, ho ao amin'ny fasan'ny Fikambanana ao Ambohidratrimo Antananarivo... • Notontosaina ny sabotsy 27 septambra 2025 ny fitsofan-drano ny fasana ary ny famindrana ireo pretra sy frefra miisa 13 efa nialoha lalana, teny amin'ny Monasitera Masina Maria Ambohimanjakarano Mahitsy...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco