Fanantenana lehibe no nandrisika an'i Masina Maria hiatrika ny fampahoriana ny Zanany na dia nizotra tamin'ny lalan'ny fahafatesana aza i Jesoa Zanany. Ny finoana nananan'i Masina Maria sy ireo Apôstôly mpianatr'i Jesoa dia endriky ny finoana ananan'ny Kristiana ankehitriny ihany koa. Famonjena tsy manavaka no notontosain'i Jesoa, fanatanterahana ny sitrapon'Andriamanitra ; Reny am-panahy ny mpino rehetra i Masina Maria... Katesizy momba an'i Masina Maria Virijiny, Renin'Andriamanitra, iarahana amin'i P. Hervé Solofoarimanana.

• Efa tonga eto Madagasikara ny FBI, hanao fanadihadiana momba ny raharaha Boeing 777, hoy ny Praiminisitra androany. Nambarany fa havoaka amin'ny fomba mangarahara ny zava-misy marina momba ity raharaha ity... • Ny fivorian'ireo mpiasam-panjakana ambony no nanokafana ny fihaonana an-tampon'ny SADEC, izay ampiantranointsika. Hisy akony amin'ny firoboroboan'ny fizahan-tany izao fivoriana izao, raha haintsika ny manararaotra, hoy ny Profesora Ralison Roger... • Fianakaviana arivo no tsy manan-kialofana, vokatry ny fandrodanana trano any amin'ny Distrikan'i Toamasina Faharoa. Voalaza fa lasan'ny mpandraharaha vahiny ny tanin'izy ireo, ka hanaovana “Parc solaire”...

• Fandraisana an'i Kristy ho namana akaiky ary ho malina hatrany eo anatrehan'ny fisarihana manodoka ka handalina ny finoana, no nanentanan'ny Arsevekan'Antananarivo ny tanora rehetra, nandritra ny famaranana ny JMJ Diosezy tany amin'ny Distrikan'i Mahitsy... • Nanentana ny tanora rehetra ihany koa ny Papa Léon XIV, mba hifikitra mandrakariva amin'i Kristy ny tanora, nandritra ny famaranana ny Jobilin'ny Tanora izay notanterahana tany Roma... • Eo amintsika sy ao amintsika i Jesoa Tompo ao amin'ny Eokaristia, hoy ny Papa Léon XIV, ka andeha isika hisaotra ny Tompo noho ny fanomezana lehibe amin'izao andro Jobily izao. Hafatra nentiny ho an'ny tanora nandritra ny vavaka Angelus omaly...

♦ Nametraka fepetra ny eo anivon'ny olafitry ny mpanao gazety eto Madagasikara (OJM) mialoha ny hirosoana amin'ny fifampiresahana amin'ny filohan'ny antenimieran-doholona. Takin'ny OJM aloha ny fialan-tsiny avy amin'ny filohan'ity andrimpan-jakàna eny Anosikely ity... ♦ Nitondra fanazavana ny ambasadaorin'i Madagasikara any Etazonia Rakotomalala Lantosoa momba ny haban-tseranana 15% amin'ny entana avy eto Madagasikara miditra any amin'ity firenena ity... ♦ Handrafitra ny toetry ny andro amin'ny ankapobeny amin'ity herinandro ity ny tsiokan'ny Varatraza antonony... ♦ Faritra maro any Taïwan ankehitriny no lasibatry ny tondradrano vokatry ny ora-nikija...

[Miara-dàlana] Zoma 22 aogositra 2025

• Miorina amin'ny fanantenana hadio toa an'i Kristy. Io no teny hifanentanan'ireo Fanilon'i Madagasikara manatanteraka Lasy Nasionaly, nanomboka ny 18 hatramin'ny 23 aogositra 2025... • Tanora, mpivahiny masina miisa 869 no nahatanteraka ny Andron'ny Tanora ho an'ny Diosezin'i Mahajanga, tamin'iny herinandro lasa teo iny... • Notanterahana tao amin'ny Diosezin'Ambanja ny Fivahinianana Masina andiany faha-2 ho an'ny Vondrona Iniasianina...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...