♦ Telo ambin'ny folo andro sisa dia hanomboka ny Andro eran-tany ho an'ny Tanora na ny JMJ andiany faha-10, hatao ao amin'ny Diôsezin'Antsirabe. Nihaona tamin'ireo pretra rehetra ao amin'ny Diôsezy omaly, ny evekan'Antsirabe... ♦ Niisa 85 ny lozam-pifamoivoizana nitranga tao Antananarivo Renivohitra tamin'ny volana jolay lasa teo iny. Saika olana ara-teknika no nahatonga ny loza niteraka faharatrana sy famoizana ain'olona... ♦ Ratsy ny voka-panadinana bakalorea ho an'ny Lisea any Vohipeno. Olana ara-tsôsialy no antony voalohany nahatonga izany, hoy ny tompon'andraikitra...

♦ Tokony ho tony ny mpanjfa solika eto Madagasikara, manoloana ny fahasahiranana hita tao ho ato. Ampy mandritra ny 25 andro ny tahirin-tsolika, hoy ny tompon'andraikitra... ♦ Nampakatra saram-pianarana avokoa ny ankamaroan'ireo sekoly tsy miankina ao an-drenivohitra, ho an'ny taom-pianarana vaovao. Fisondrotana mifanaraka amin'ny fisondrotry ny vidim-piainana, araka ny nambaran'ny tompon'andraikitra... ♦ Niakatra ihany koa ny vidin'ny henomby na ny henan-kisoa eny an-tsena. Mihena ny fanjifan'ny mpanjifa, hoy ireo mpivaro-kena...

18 aogositra — Tokony ho tamin’ny taona 255 i Hélène no teraka tany amin’ny faritan’i Bithynie. Constance Chlore no vadiny, jeneraly romanina izy io izay nampakatra azy ho vadiny ny taona 272, ary tamin’ny taona 275 no nanan’izy ireo an’i Constantin zanany lahy.

Ny antso izay voaresaka ao amin'ny Levitika ihany no averin'i Jesoa amintsika, saingy ovainy fomba filaza fotsiny ao amin'ny Matio 5,48: "aoka ho lavorary ianareo tahaka ny fahalavorarian'ny Rainareo izay any an-danitra. Noho izany dia antso mitovy ihany no hiantsoana antsika dia ny ho masina sy ho lavorary. Katesizy momba ny antso, iarahana amin'i P. Wagner Randriamampandry.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 21 jolay 2025

• Notontosaina omaly ny fanaovam-beloma farany an'i Mompera Rakotosamimanana Nicolas, pretran'ny Diosezin'i Mahajanga, nodimandry teo amin'ny faha-58 taonany... •“Discernement spirituel pour le développement intégral”, izay no lohahevitra nanamarihana ny “Journée des Cadres Chrétiens”, teto amin'ny Diosezin'Antananarivo... • Fanentanana ny kristianina hiaro, hizara ary hiaina ny finoana, no nataon'i Mgr Jean de Dieu Raoelison, nandritra ny fankalazana ny ivon'ny faha-100 taonan'ny EKAR Masindahy François Xavier Antanimena...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...