07 febroary — Zanak'i Masindahy Philippe i Masimbavy Eugénie, virjiny romana maty martiry izy tamin'ny andron'ny Amperora Valérien tamin'ny taona 257. Araka ny tantara dia teo amin'ny faha-16 taonany izy dia efa nahavaky ireo haisoratra grika sy latina ary nalaza tamin'ny hatsara-tarehy tao an-tanana.
Mazana dia mitoetra ny fahatezarantsika manoloana ny fitalahoantsika tsy tanteraka. Betsaka tokoa ny olana miseho ilantsika valim-bavaka kanefa toa tsy misy vokany. Tamin'i Jesoa Kristy tety an-tany dia maro tokoa ireo nitalaho ny famonjena taminy ka niantsoantso hoe "mamindra fo aminay". Na izany aza, ao ny nolaviny , saingy nanao lemozy fa ao koa ireo nanontaniany raha tena mino... Katesizy momba ny fihakahan-kevitra, iarahana amin'i P. Rabenirina Joseph.
7 febroary 2025 — Zoma, Herinandro Tsotra fahefatra Mandavantaona — Ampianaro ahy, ry Tompo, ny soritrao; tariho amin’ny Fahamarinanao aho — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Marka (Mk. 6, 14-29)
• Hanasa ny Préfet an'Antananarivo ny RMDM amin'ny fivoriana hataony, manomboka izao. Tsy hangataka alalana kosa anefa satria voalazan'ny lalana mifehy ny antoko politika ny fivoriana, hoy ny Pasitera Edouard Tsarahame, androany... • Manomboka midina ny vidim-bary eny an-tsena eto Antananarivo sy ny manodidina amin'izao. Eo anelanelan'ny 800 Ariary ka hatramin'ny 1.200 Ariary ny iray kapoaka, arakaraka ny karazany avy... • Nihatsara ny fahatongavan'ny “Caisse école” eny anivon'ireo sekoly tokony hisitraka izany. Maherin'ny 66 miliara Ariary ny teti-bola natokana ho amin'izany amin'ity taom-pianarana ity, raha ny tatitry ny tetikasa Score...
Ho an'ny tompon'andraikitra isan'ambaratonga eto amin'ny firenena, Ho an'ny vahoaka Malagasy sy ireo olona tsara sitrapo. Homba anareo mandrakariva anie ny fahasoavana amam-piadanana avy amin'i Jesoa Kristy Tompo ! Indroa isan-taona no manao fihaonana lehibe (Assemblée Générale) izahay Vaomieran'ny Eveka momba ny fahamarinana sy fiadanana (Justice et Paix) cto Madagasikara. Tamin'ity taona 2025 ity dia notanterahina ny 08 May ka hatramin'ny 12 May ny fihaonanavoalohany teto Madiorano - Diosezy Toliara....
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco