♦ Miatrika fihaonam-be manomboka anio ny Vaomieran'ny Eveka momba ny fifandraisan'ny mpiara-belona. Anisan'ny hodinihina amin'izany ny fanavaozana ny tranokalam-pifandraisan'ny Fivondronamben'ny Eveka eto Madagasikara... ♦ Milaza ny tsy hihemotra manoloana ny toe-draharaham-pirenena ankehitriny ny RMDM. Nanambara ny mbola hanohy ny hetsika fanehoan-kevitra izy ireo, na teo aza ny fanakànana ny sabotsy teo... ♦ Niakatra hatramin'ny 3.000 Ariary/gony ny vidim-bary eny amin'ireo mpamongady. Voalaza ho anisan'ny anton'izany ny fiakaran'ny vidin-tsolika, na mbola mitobaka ny vary eny an-tsena amin'izao...
26 jolay — Ray aman-drenin’i Masina Maria ireto olomasina resahana androany ireto. Ho an’ny tandrefana dia ny 26 jolay no fahatsiarovana azy fa ny tatsinanana kosa dia matsiaro azy ireo ny 09 septambra. Ny Evanjely apokrifa an’i Masindahy Jacques no ahitana ny tantaran’ireo.
Manana adidy ny mpino haneho hevitra, manoloana ireo fombam-pitantana, tsy ahitana ny taratry ny maha-kristiana, indrindra ny ara-moraly, izany hoe endrim-pitantanana "jadona" . Ny jadona dia : tsy refesimandidy. Ny tantara no nampianatra antsika ny hoe "jadona" satria ireo nahazo ny fitondrana na fahefana ary mampiasa ny jadona mba hifehezana ny tany sy ny firenena. Katesizy momba ny fitondram-panjakàna sy ny adidiny, iarahana amin'i P. Marcel Ranivomanalina.
Talata 26 jolay 2022 — Herinandro fahafito ambin'ny folo mandavantaona — Niteraka antsika an-tsitra-po tamin’ny fahamarinana ny Ray; mba ho santatry ny zava-boaariny isika — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Matio 13, 36-43
• Notanterahana ny 21 sy 22 jona 2025 ny hetsika entina hanohanana ny Seminera Zandriny, tao amin'ny Diosezin'Antsirabe, sady nankalazana ny fetin'ny Sakramenta Masina... • Katesista miisa 11 no nahavita fiofanana nandritra ny folo volana ka navoaka tamin'ny fomba ofisialy ny 24 jona 2025, tao amin'ny Diosezin'i Farafangana... • Nataon'Andriamanitra ho vatofehizoro ny vato nolavina, hoy ny Papa Léon XIV, nandritra ny vavaka Angelus omaly alahady, nankalazana ny fetin'i Masindahy Piera sy i Paoly...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco