Ny fahatokisan-tena no manala ny sakana anaty, ity farany ity, izay mitondra any amin'ny tsy fandrosoana mihitsy ho an'ny olona. Ny tsy fahatokisan-tena dia azo lazaina ho manapotika ny fiainana mihitsy. Fandaharana "Mba ho vanona" momba ny fahatokisan-tena, iarahana amin'ny Jeneraly Désiré Ramakavelo.

♦ Hanara-dia ireo antoko politika hanohana ny fihaonambe kasain'ny RMDM hatao eny amin'ny Magro Behoririka ny sabotsy izao ny antoko TEZA... ♦ Mitohy ny fitokonan'ny mpiasa ao amin'ny ministeran'ny raharaham-bahiny. Tsy mbola nisy ny dinika niarahan'ny ministra mpiahy tamin'izy ireo nandritra ny iray volana mahery nitokonana hoy ny filohan'ny sendika... ♦ Hisitraka famatsiam-bola 4.600.000.000 Ariary mahery avy amin'ny orinasa japoney iray " Japan Tuna" ny ministeran'ny jono sy ny toe-karena manga. Nosoniavina omaly ny fifanarahana momba izany...

21 jolay — Teraka tany antenantenan’ny taonjato fahatelo i Masindahy Victor. Avy amin’ny fianakaviana andriana tao Marseille izy io. Kristianina izy ary rehefa tonga ny fotoana nisafidianana ny asa dia nirotsaka ho tafiky ny amperora ka lasa manam-boninahitry ny tafika thébaine teo ambany fiarovan’ny amperora Dioclétien sy Maximien Hércule.

Taratra ho manana ny lanjany manokana tokoa ny rariny, eo anivon'ny toe-java-misy ankehitriny, satria ao anatin'izany, ankoatra ny fanambaràna ny fahavononana, dia ny soatoavina mahaolona, ny hasiny sy ny zony no tandindomin-doza noho ny fihanaky ny firehana tsy manam-penitra afa-tsy amin'ny zavatra ilaina sy ny fananana azy. Ny rariny dia tsy fifanarahana ifanaovan'ny olombelona fa ilay maha-olona. Katesizy momba ny rariny sy ny hitsiny, iarahana amin'i P. Marcel Ranivomanalina.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 14 jolay 2025

• Miditra amin'ny herinandro faharoa hanatanterahana ny fivorian'ny Pretra ny ao amin'ny Arsidiosezin'Antsiranana, izay entina hanomanana ny fankalazana ny faha-70 taonan'ny Diosezy ny volana septambra 2025... • Mila fanetren-tena sy finiavana tanteraka, tsy misy fanavahana ary mandrava ny elanelana ny tena fitiavana marina, hoy ny Arsevekan'Antananarivo nandritra ny Eokaristia Masina fisaorana an'Andriamanitra noho ny fahavitan'ny asa fanavaozana ny Evêché Andohalo... • Raiso ny sitrapon'Andriamanitra, hoy ny Papa Léon XIV, nandritra ny vavaka Angelus omaly, tao Castel Gandolfo...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...