08 septambra — Heverina fa ny Fiangonana tao Jerosalema no nanaja sy nahatsiaro voalohany ny nahaterahan’i Masina Maria Virjiny izay nankalazaina tao amin’ny bazilika ao amin’io toerana nahatrerahan’i Masina Maria Virjiny. Ny toritenin’i André de Crête dia milazalaza ny momba ny nahaterahan’i Maria Virjiny.
Ankehitriny, ny fanambadiana mamorona ny fianakaviana dia tsy araka ny sitrapon'Andriamanitra intsony fa araka ny sitrapon'ny olombelona te hitovy indray amin'Andriamanitra. Ny fianakaviana tokony hanome taranaka noho fifankatiavan'ny mpivady dia lasa fiaraha-monin'ny fampanaranam-batana miaina eo ambonin'ny fitaka. katesizy momba ny fianakaviana, iarahana amin'i P. Randriamanamahenina Robert Maria.
Alakamisy 8 septambra 2022 — Ny nahaterahan'i Masina Maria Virjiny — Sambatra ianao, ry Masina Maria Virjiny, tena mendrika tokoa ny fanajana rehetra, satria tao aminao no nipoiran’ilay Masoandrom-pahamarinana: dia i Kristy Andriamanitsika — Evanjely Masina nosoratan'i Mansindahy Matio 1, 1-16. 18-23
♦ Miandrandra fifidianana mangarahara ny Vondrona Eorôpean amin'ny taona 2023. Tokony araha ireo soso-kevitry ny Vondrona Eorôpean tao aorian'ny fanaraha-maso ny fifidianana tamin'ny 2018, hoy ny Masoivoho vaovao androany... ♦ Nilaza ny tsy hikarakara ny fikaonan-doham-pirenena, izay efa notakiany hatry ny ela, ny RMDM. Mbola nanao antso avo ny avy amin'ny fitondrana izy ireo, mba haniky hidinika amin'ny hery velona rehetra, ho fanavotam-pirenena... ♦ Nanolotra vary milaja 5 taonina ho antsika Malagasy ny fitondram-panjakana indiana...
• Nanentana ny kristianina rehetra, hivavaka sy handini-tena, ny avy eo anivon'ny Fiombonan'ny Fiangonana Kristianina eto Madagasikara, tamin'ny hafatra navoakan'izy ireo ny zoma 26 septambra 2025... • Tontosa ny sabotsy 27 septambra 2025, ny famindrana ny taolambalon'i Mompera Vladimir, izay tany amin'ny Diosezin'i Toamasina, ho ao amin'ny fasan'ny Fikambanana ao Ambohidratrimo Antananarivo... • Notontosaina ny sabotsy 27 septambra 2025 ny fitsofan-drano ny fasana ary ny famindrana ireo pretra sy frefra miisa 13 efa nialoha lalana, teny amin'ny Monasitera Masina Maria Ambohimanjakarano Mahitsy...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco