Manoloana ny fivoaran'ny tontolon'ny serasera sy ny filazam-baovao amin'ny alalan'ny teknolojia dia tena ilaina ny fahaizana mihaino. Ny olona maro izay notsaboina momba ny ratra-po mpahazo ny olombelona sy ny filana dia noho ny faniriana lalina te-hohainoina. Katesizy momba ny fifandraisan'ny mpiara-belona, iarahana amin'i P. Marcel Ranivomanalina.

Zoma 3 jona 2022 — Herinandro fahafito fankalazana ny Paka — Mandehana, mampianara ny firenena rehetra. Indro Aho eo aminareo ambara-pahatapitr’izao tontolo izao — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Joany 21, 15-19

♦ Tranga fakana tovovavy roa farafahakeliny no nisy teto Antananarivo tato anatin'ny herinandro. Nisy iray hafa koa niseho androany. Nanao fanambarana ny Polisim-pirenena, manoloana izao tranga izao... ♦ Tsy manaiky ny hanaovan antsojay ny namany, ny Sendikàn'ny mpiraki-draharaham-pitsarana. Mangataka fanadihadiana izy ireo, manoloana ny raharaha mampifanolana mpiraki-draharaha sy mpitsara iray any Toliara... ♦ Mpianatra hanala fanadinana CEPE maherin'ny 8.000 ao an-drenivohitra no hisitraka Koba Aina sy Ferrozinc isan'andro, manomboka androany. Natomboka teny amin'ny EPP Antanimena ny fizarana izany...

♦ Hafindra ao Tampoketsa distrika Ankazobe ny fitaovam-piadiana sy ny fitoerany ao amin'ny RAL teo aloha ao Imerintsiatosika. Ny fitaovam-piadiana goavana hafindra ao Arivon'Imamo, noho ny tetik'asa fananganana ny tanàna vaovao Tanamasoandro... ♦ Nisafidy ny Faritra Analanjirofo sy Androy hatao filamatra tsy hisian'ny fametrahana diky ankalamanjana ny fitondram-panjakana. Madiva ho fongotra ny fanaovana maloto ankalamanjana ho an'ny Faritra Androy. Kaominina 54 amin'ny 58 no efa niala tamin'izany... ♦ Vonona hampiakatra ny vokatra ronono eto Madagasikara ny tantsaha mpiompy. Mitaky tohana ahafahan'izy ireo misitraka karazan'omby afaka manome ronono 20 litatra mahery ny mpiompy ao Ambohijafy...

[Miara-dàlana] Alakamisy 26 jona 2025

Notendren’ny Papa Léon faha-14 ho eveka mpanampy ho an’ny Arsidiosezin’Antananarivo, androany 26 jona 2025, i Mgr Mamiarisoa Modeste Randrianifahanana, izay Vikera jeneraly eto Antananarivo.

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...