♦ Feno 31 taona omaly ny 10 aogositra 1991, diaben'ny fahafahana niainga teo amin'ny kianjan'ny 13 mey nankeny Iavoloha niafara tamin'ny rà nandrika. Tokony haka lesona tamin'ny zava-nisy nahatonga ny 10 aogositra ny fitondrana, hoy ny antoko MFM... ♦ 3% isan-taona ny taham-pitombon'ny mponina eto Madagasikara, araky ny fanadihadiana fanisam-bahoaka sy toeram-ponenana andiany fahatelo. Nampahafantarin'ny Instat tamin'ny fomba ôfisialy omaly ny vokatr'izany... ♦ Tafiakatra amin'ny ankatoky ny famaranan'ny Afrobasket latsaky ny 18 taona ny ekipam-pirenena malagasy lahy sy vavy... ♦ Mitsidika aty Afrika ny lehiben'ny diplomasia amerikana. Taorian'ny tany RDC, hiazo an'i Rwanda Andriamatoa Antonny Bliken...
11 aogositra — Teraka tamin’ny 16 jolay 1194 tao Assise i Claire. Zanak’olona manam-boninahitra sy manan-katao fanta-daza tao an-tanana izy. Voaroaka tao an-tanana izy ireo tamin’ny taona 1198 ka nialokaloka tany amin’ny tranon’ny ray aman-dreniny ihany.
Fanekena sy fanaovana izay heverina ho marina no atao hoe finoana. Ara-panahy dia fandraisana sy fanekena amim-pahatokiana an'Andriamanitra sy ny teniny ary ny fitondrany sy ny fampanantenany : tsy hitan'ny maso, tsy takatry ny saina nefa tsapa fa misy sy marina. Katesizy momba ny finoana, iarahana amin'i P. Rakotomanantsoa Jean Louis.
Alakamisy 11 aogositra 2022 — Herinandro fahasivy ambin'ny folo mandavantaona — Izay mitandrina ny didin’i Kristy no manana ny fitiavana an’Andriamanitra lavorary ao aminy tokoa — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Matio 18, 21 — 19, 1
• Nanentana ny kristianina rehetra, hivavaka sy handini-tena, ny avy eo anivon'ny Fiombonan'ny Fiangonana Kristianina eto Madagasikara, tamin'ny hafatra navoakan'izy ireo ny zoma 26 septambra 2025... • Tontosa ny sabotsy 27 septambra 2025, ny famindrana ny taolambalon'i Mompera Vladimir, izay tany amin'ny Diosezin'i Toamasina, ho ao amin'ny fasan'ny Fikambanana ao Ambohidratrimo Antananarivo... • Notontosaina ny sabotsy 27 septambra 2025 ny fitsofan-drano ny fasana ary ny famindrana ireo pretra sy frefra miisa 13 efa nialoha lalana, teny amin'ny Monasitera Masina Maria Ambohimanjakarano Mahitsy...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco