♦ Entanina tsy hanararaotra amin'ny fampiakarana mihoampampana ny vidin'ny entana ilaina andavanandro ny mpivarotra sy ny mpandraharaha, manoloana ny fiakaran'ny vidin-tsolika, izay tsy azo nialana hoy ny teo anivon'ny fiadidiana ny repoblika... ♦ Manan-karena volamena i Madagasikara ho ny Synpromine-Mad na "syndicat professinnel des mines de Madagascar, ka tokony fehezina tsara io sahatry ny volamena io mba hampivoarana ny tanindrazana... ♦ Mitaraina amin'ny alafon'ny ankora fototra sy ny tsy fisian'izany ny mpanao asa-tanana malagasy, lasan'ny sinoa eny ifotony ambongadiny izany tao anatin'ny taona vitsy izay ho izy ireo...

30 jolay — Teraka tao Corneli tamin’ny taona 405 i Pierre. Fanta-daza ny fianakaviany. Mbola kely izy dia efa liana tamin’ny fivavahana ary nanampy an’i Cornelius, evaka tao amin’io tanana io, ary io moa no nanamasina azy ho diakra tao Imola.

Mila mitandrina ny tsirairay manoloana ireo vondrona maneho ny fanjakàna mpanao "bodon-gerina". Ny fitondrana dia tokony hanao ho lohalaharana ny tombontsoa iombonana. Ilaina hatrany ny fakan-kevitra sy ny fifanankalozana, ny fitsinjaram-pahefana. Atao misongadina hatrany ny soatoavina mahakristiana. Katesizy momba ny fitondram-panjakàna sy ny adidiny, iarahana amin'i P. Marcel Ranivomanalina.

Sabotsy 30 jolay 2022 — Herinandro fahafito ambin'ny folo mandavantaona — Ampianaro ahy, ry Tompo, ny lalànao, ary tariho ho amin’ny lala-mahitsy aho — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Matio 14, 1-12

Miara-dàlana] Alatsianiny 29 septambra 2025

• Nanentana ny kristianina rehetra, hivavaka sy handini-tena, ny avy eo anivon'ny Fiombonan'ny Fiangonana Kristianina eto Madagasikara, tamin'ny hafatra navoakan'izy ireo ny zoma 26 septambra 2025... • Tontosa ny sabotsy 27 septambra 2025, ny famindrana ny taolambalon'i Mompera Vladimir, izay tany amin'ny Diosezin'i Toamasina, ho ao amin'ny fasan'ny Fikambanana ao Ambohidratrimo Antananarivo... • Notontosaina ny sabotsy 27 septambra 2025 ny fitsofan-drano ny fasana ary ny famindrana ireo pretra sy frefra miisa 13 efa nialoha lalana, teny amin'ny Monasitera Masina Maria Ambohimanjakarano Mahitsy...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...