♦ Haparitaka isan-diôsezy ireo fehin-kevitra nivoitra tamin'ny fakan-kevitra sinaodin'ny Eveka 2023. Nofaranana omaly teny amin'ny ESCA Antanimena ny fakan-kevitra sinaodin'ny Eveka 2023, sehatra nasiônaly... ♦ Vehivavy miisa 5 no maty an-dranomasina omaly tany Manakara. Efa miisa 3 ireo voasambotra tamin'ilay vonon'olona 32 nitranga tany Ambohitriniandriana-Ankazobe... ♦ Vinavinaina ho tanterahana amin'ny volana septambra izao ny fikaonan-doham-pirenena. Tinapak'ireo mpizaika tamin'ilay dinik'asa iombonana ho fanomanana ny fikaonan-doham-pirenena, natao ny faran'ny herinandro teo io...

01 aogositra — Teraka ny 27 septambra 1696 tao Naples i Alphonse. Marie Antoine Jean Côme Damien Michel Gaspard de Liguori no tena anarany. Manamboninahitra tantsambo ny rainy, ary taranaka espagnol ny reniny.

Mifameno ny lehilahy sy ny vehivavy ka izay fifamenoan'izay no mahatonga azy ireo hifanolotra fitiavana. Ny fanambadiana dia misy fototra ara-tsoratra masina : Ary hoy Iaveh Andriamanitra: Tsy tsara raha irery ny lehilahy; fa hanaovako mpanampy azy mitovy aminy izy. Jen2; 18. katesizy momba ny fanambadiana, iarahana amin'i P. Rarivoson Aurélien.

Alatsinainy 1 aogositra 2022 — Herinandro fahavalo ambin'ny folo mandavantaona — Tsy ny mofo ihany no iveloman’ny olona, fa ny teny rehetra aloaky ny vavan’Andriamanitra — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Matio 14, 13-21

Miara-dàlana] Alatsianiny 29 septambra 2025

• Nanentana ny kristianina rehetra, hivavaka sy handini-tena, ny avy eo anivon'ny Fiombonan'ny Fiangonana Kristianina eto Madagasikara, tamin'ny hafatra navoakan'izy ireo ny zoma 26 septambra 2025... • Tontosa ny sabotsy 27 septambra 2025, ny famindrana ny taolambalon'i Mompera Vladimir, izay tany amin'ny Diosezin'i Toamasina, ho ao amin'ny fasan'ny Fikambanana ao Ambohidratrimo Antananarivo... • Notontosaina ny sabotsy 27 septambra 2025 ny fitsofan-drano ny fasana ary ny famindrana ireo pretra sy frefra miisa 13 efa nialoha lalana, teny amin'ny Monasitera Masina Maria Ambohimanjakarano Mahitsy...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...