♦ Nikatona omaly ny fanavaozana ifotony ny lisi-pifidianana fanao isan-taona. Niakatra 1,91% ny olona voasoratra anarana, raha ny lisitra vonjy maika navoakan'ny CENI tamin'ny 28 febroary 2022 teo... ♦ Mila mametraka ny Masoivoho Malagasy eo anivon'ny Firenena Mikambana i Madagasikara, raha mbola te hanohy ny fitakiana ireo nosy manodidina, araka ny hevitry ny antoko Madagasikara ho an'ny Malagasy... ♦ Mizotra araka ny tokony ho izy ny andrana ara-teknika ataon'ny orinasa mpamokatra siramamy any Antanifafy, any Mahajanga Faharoa...

Ny fandrosoan'ny sasany dia tsy ho vato misakana ny fivoaran'ny hafa, na hanararaotana hanandevozana azy. Aza hadinoina fa ny fakam-panahy hangoron-karena dia efa misy hatrizay. Tenin'ny Kristy ny hoe " katsaho aloha ny fanjakan'Andriamanitra sy ny fahamarinany". Katesizy momba ny soa iombonana sy ny fiharian-karena, iarahana amin'i P. Marcel Ranivomanalina.

Alatsinainy 16 mey 2022 — Herinandro fahadimy fankalazana ny Paka — Raha niara-nitsangana tamin’i Kristy ianareo, dia ny zavatra any ambony, amin’izay itoeran’i Kristy eo ankavanan’Andriamanitra, no katsaho — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Joany 14, 21-26

Ny fonjan-kevitra ilazana fa natao ho an'ny daholobe ny haren'ny tany dia tsy azo sarahina amin'ny fananganana tontolo ara-drariny sy miray hina. Tsy anjara toerana ho an'ny fanilikilihana sy ny fitsetsefana izany. Katesizy momba ny soa iombonana sy ny fiharian-karena, iarahana amin'i P. Marcel Ranivomanalina.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 7 jolay 2025

• Tontosa omaly tany Gdańsk, Pologne ny fanamasinana ho Eveka an'i Mgr Marek Ochlak, Evekan'ny Diosezin'i Fenoarivo Atsinanana... • Hotanterahana any Toamasina ny 2 hatramin'ny 6 aogositra 2025, ny Fihaonambe Nasionalin'ny Ibalita eto Madagasikara... • Tsy sakramenta fanaovam-beloma farany ny Fiangonana ny Sakramentan'ny Fankaherezana, hoy ny Arsevekan'Antananarivo, Mgr Jean de Dieu Raoelison...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...